Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 15:15 - Baiboly Katolika

Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny Levita nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny hazo, tahaka ny nandidian’i Mosesy araka ny tenin’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny Levita nilanja ny fiaran'Andriamanitra tamin'ny hazo, tahaka ny nandidian'i Mosesy araka ny tenin'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nilanja ny vata misy ny faneken’Andriamanitra tamin’ny bao hazo teny an-tsorony ny levita, fa izany no nandidian’i Mosesy araka ny tenin’NY TOMPO.

Jereo ny toko



1Tantara 15:15
12 Rohy Ifampitohizana  

Nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida mpanjaka nanao hoe: «Nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma sy ny ananany rehetra, noho ny amin’ny Fiaran’Andriamanitra.» Dia niainga nandeha i Davida, ka nampiakatra ny Fiaran’Andriamanitra avy any an-tranon’i Obededôma ho any an-tanànan’i Davida, nomba-mpanotrona maro niravoravo.


Nony namindra inenina ny mpitondra ny Fiaran’i Iaveh, dia nisy ombalahy iray sy zanak’omby matavy izay natolotra ho sorona.


Lava be moa ny bao, ka dia hita izy raha eo amin’ny Fitoerana Masina; fa ny any ivelany no tsy mahita azy. Dia tao izy mandraka androany.


Fa nirehitra tamin’i Ozà ny fahatezeran’i Iaveh, ka nokapohin’i Iaveh izy, noho izy naninji-tanana tamin’ny fiara, dia maty teo anatrehan’Andriamanitra i Ozà.


Lava be ny bao, ka hita ny lohany, raha eo anoloan’ny fitoerana masina lavidavitry ny fiara, fa raha any ivelany no tsy tazana izy. Dia tao mandrak’androany ny fiara.


Nalainy ny Vavolombelona, dia napetrany tao anaty fiara; nataony tamin’ny fiara ny bao, ary napetrany teo ambonin’ny fiara ny fanaovam-panavotana.


Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.


Fa tsy nomeny kosa ny taranak’i Kaata, satria ny fanaka masina no anjara fanompoany, ka tsy maintsy lanjainy an-tsoroka.


Tamin’izany andro izany no nanokanan’i Iaveh ny fokon’i Levỳ hitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh sy hitoetra eo anatrehan’i Iaveh, hanompo Azy ary hitso-drano amin’ny Anarany, mandraka androany.