Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 14:14 - Baiboly Katolika

Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: «Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy ianao avy eo amin’ny lafiny misy ny balsamie.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliny hoe: Aza manenjika azy; fa mivilia lalana manodidina azy; dia mandehana fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balisama.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia mbola nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia mbola nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliany hoe: –Aza miakatra hanenjika azy; fa mivilia lavidavitra azy, dia manatòna azy avy eo amin’ny tandrifin’ny foto-boaroihazo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nanontany tamin’Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy hianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balsama.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nanontany tamin'Andriamanitra indray Davida ka novaliany hoe: Aza mandeha hanenjika azy; fa mivilia azy, dia mandehana, fa ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nanontany an’Andriamanitra indray i Davida ka novaliny hoe: Aza manenjika azy; fa mivilia lalana manodidina azy; dia mandehana fa ho tonga eo aminy ianao eo amin’ny tandrifin’ny hazo balisama.

Jereo ny toko



1Tantara 14:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Ka nanontany an’i Iaveh i Davida, sy novaliany hoe: «Aza miakatra fa hodidino avy any aoriana izy dia hirotsaka aminy, avy arỳ amin’ny balsamie, ianao,


Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»


Nirotsaka indray ny Filistinina teny amin’ny lohasaha.


Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»


Zavatra iray loha no angatahiko amin’i Iaveh sady iriko fatratra: dia te honina eo an-tranon’i Iaveh aho, amin’ny andro rehetra iainako, mba hifaly amin’ny toetra mahatehotian’i Iaveh, sy hibanjina ny fitoerany masina.