Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.
1Tantara 13:14 - Baiboly Katolika Dia nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obededôma tao an-tranony, ny fiaran’Andriamanitra; ary nambinin’i Iaveh ny ankohonan’i Obededôma mbamin’ny ananany rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-Edoma tao an-tranony ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; dia notahin’NY TOMPO ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay rehetra nananany. DIEM PROTESTANTA Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Telo volana no nipetrahan’ny vatamasin’Andriamanitra niaraka tamin’ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma, tanaty efitrano voatokana ho azy; ary dia notahîn’ny TOMPO ny ankohonan’i Hôbeda-Edôma sy izay rehetra fananany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran’Andriamanitra; ka dia notahin’i Jehovah ny ankohonan’i Obed-edoma sy izay rehetra nananany. Malagasy Bible Ary nipetraka telo volana tao amin'ny ankohonan'i Obed-edoma tao an-tranony ny fiaran'Andriamanitra; ka dia notahin'i Jehovah ny ankohonan'i Obed-edoma sy izay rehetra nananany. La Bible en Malgache Ary nipetraka telo volana tao amin’ny ankohonan’i Obeda-Edoma tao an-tranony ny vata misy ny faneken’Andriamanitra; dia notahin’NY TOMPO ny ankohonan’i Obeda-Edoma sy izay rehetra nananany. |
Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy.
Raha vantany vao notendreny ho filohan’ny tranony amam-pananany rehetra izy, dia notahin’i Iaveh ny tranon’ity Ejiptianina noho ny amin’i Josefa, ary tonga tamin’ny fananany rehetra, na an-tsaha na an-tanàna, ny fitahian’i Iaveh.
Koa i Davida tsy nety nandray ny Fiaran’i Iaveh ho any aminy, any an-tanànan’i Davida, fa nasain’i Davida nentina nankany an-tranon’i Obededôma, any Geta, ny Fiara.
Toy izany koa i Obededôma mbamin’ireo rahalahiny 68, i Obededôma zanak’i Iditona ary i Hosa, ho mpiandry varavarana.
Ny fanambinan’ny Tompo no mampanan-karena; ary ny fisasaran’ny olona tsy manampy izany akory.