Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:24 - Baiboly Katolika

Tamin’ny taranak’i Jodà, 6.800 lahy mitondra ampinga aman-defona, hary fiadiana mba hiady.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’ny taranak’i Joda dia valonjato sy enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao no isan’ny vatan-dehilahy vonona hiady izay tonga tany amin’i Davida tao Hebrôna mba hamindra aminy ny fanjakàn’i Saoly araka ny baikon’ny TOMPO:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao no isan’ny vatan-dehilahy vonona hiady izay tonga tany amin’i Davida tao Hebrôna mba hamindra aminy ny fanjakàn’i Saoly araka ny baikon’ny TOMPO:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tamin’ny taranak’i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tamin'ny taranak'i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’ny taranak’i Joda dia valonjato sy enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.

Jereo ny toko



1Tantara 12:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana, tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehina fanapahana, mandra-piavin’i Silô: Izy no hotoavin’ny firenena.


Ary tonga amin’i Davida tany Hebrôna ny fokon’i Israely rehetra ka nanao hoe: «Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao ihany izahay.


Ary nivory teo amin’i Davida tany Hebrôna i Israely rehetra nanao hoe: «Indro fa taolanao sy nofonao izahay.


Ireo no lehiben’ny lehilahy mahery izay tao amin’i Davida, ka nanampy azy niaraka tamin’i Israely rehetra nandritra ny andro nanjakany, sady efa nampanjaka azy izy araka ny tenin’i Iaveh ny amin’i Israely.


Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh:


Tamin’ny taranak’i Simeôna, 7.100 lahy, samy lehilahy mahery an’ady.