Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 12:22 - Baiboly Katolika

Koa isan’andro isan’andro no nisy olona tao amin’i Davida hamangy azy, mandra-pahatongany ho tafika lehibe toy ny tafik’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tamin’izany dia nisy nankany amin’i Davida isanandro isanandro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nanampy ny andian-tafik’i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin’ny tafiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nanampy ny andian-tafik’i Davida ireo satria lehilahy mahery avokoa, ary nanjary komandy tao amin’ny tafiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tamin’izany nisy nankany amin’i Davida isan-andro isan-andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tamin'izany nisy nankany amin'i Davida isan'andro isan'andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin'Andriamanitra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tamin’izany dia nisy nankany amin’i Davida isanandro isanandro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’Andriamanitra.

Jereo ny toko



1Tantara 12:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy izy nahita ireo: «Tobin’Andriamanitra ity;» dia nataony hoe Mahanaîma ny anaran’izany fitoerana izany.


Naharitra ela ny adin’ny fianakavian’i Saola sy ny fianakavian’i Davida. I Davida nandroso nihanahery, fa ny fianakavian’i Saola kosa nihaosa miandalandalana.


Ny olo-marina anefa mifikitra mafy amin’ny lalany ary izay madio tanana miezaka amin-kerim-po tokoa.


Miderà Azy ianareo Anjeliny rehetra, miderà Azy ianareo tafiny rehetra!


Efa mby akaiky an’i Jerikô i Jôsoe, no nanopy maso nijery, ka indro nisy lehilahy anankiray nitana sabatra voatsoaka nijoro teo anatrehany; dia nanatona azy i Jôsoe, ka nanao taminy hoe: «Momba anay va ianao sa momba ny fahavalo?»


«Tsia», hoy ny navaliny, «fa filohan’ny tafik’i Iaveh no tonga eto ankehitriny aho.»


Koa mifohaza maraina koa ianao, mbamin’ireo mpanompon’ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina ianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana».


Nony tonga tao Sikelega i Davida mbamin’ny olony, tamin’ny andro fahatelo, dia efa notafihin’ny Amalesita i Negeba sy i Sikelega: nasiany i Sikelega ka nodorany;