Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 11:17 - Baiboly Katolika

Nanam-paniriana i Davida ka nanao hoe: «Iza no mba hampisotro ahy rano avy amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema?»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’izay, dia velom-paniriana tampoka i Davida ka nanao hoe: –Iza no hitondra rano hosotroiko avy amin’ilay fantsakana eo akaikin’ny vavahadin’i Betlehema?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin’ny vavahady.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Davida naniry ka nanao hoe: Enga anie ka hisy hampisotro rano ahy avy amin'ny fantsakana ao Betlehema, ilay ao akaikin'ny vavahady.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nilaza izao faniriany izao i Davida hoe: Iza re no hampisotro rano ahy avy amin’ny fantsakana ao Betlehema, ilay eo akaikin’ny vavahady?

Jereo ny toko



1Tantara 11:17
11 Rohy Ifampitohizana  

Tao amin’ny trano mimanda i Davida tamin’izay ary nisy antoko-miaramilan’ny Filistinina tany Betlehema.


Niaraka tamin’izay ireo teo lahy ireo dia namakivaky ny tobin’ny Filistinina ka nanovo rano teo amin’ny famorian-drano eo am-bavahadin’i Betlehema, dia noraisiny sy nentiny nankeo amin’i Davida. Kanjo tsy nety nisotro izany i Davida, fa nataony fanatitra araraka ho an’i Iaveh izany, ary hoy izy:


Mananty tanan-droa aminao aho, ka maniry Anao, toy ny tany mangentana, ny fanahiko. - Selà


Ahy i Galaada, ahy i Manase. Fiadiana aron’ny lohako i Efraima ary tehim-panjakako i Jodà.


Salamon’i Davida. Fony izy tany an’efitr’i Jodà .


Hanovo rano an-kafaliana ianareo amin’ny loharanom-pamonjena, ary izao no holazainareo amin’izany andro izany:


Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: «Raha fantatrao mantsy ny fanomezan’Andriamanitra sy Izay milaza aminao hoe: Mba omeo kely Aho hosotroiko, dia ianao indray aza no ho nangataka taminy ka homeny rano velona.»


satria ny rano homeko azy, dia ho tonga loharano miboiboika ao anatiny hatrany amin’ny fiainana mandrakizay.»