Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Zefania 1:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Koa dia hobaboina ny hareny ary horavana ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Ho tonga babo ny fananan’ireny ary ho lao ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa dia hobaboina ny hareny ary horavana ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hatolotra hobaboina, ny fananany, ary hatolotra horavana ny tranony; hanao trano izy, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, fa tsy hisotro divay avy amin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Ka dia ho tonga babo ny fananan’ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao; Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Ka dia ho tonga babo ny fananan'ireny, Ary ho lao ny tranony; Dia hanao trano izy, nefa tsy hitoetra ao, Hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Ho tonga babo ny fananan’ireny ary ho lao ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Zefania 1:13
24 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia nanontany aho hoe: –Mandra-pahoviana anefa, Tompo ô? Dia namaly Izy hoe: –Mandra-pahasimba ny tanàna ka tsy hisy mponina intsony, mandra-paharava ny trano ka tsy hisy olona tavela ary mandra-pahalao tokoa ny tany.


Ry Joda, ny harenao sy ny zava-tsoanao dia hatolotro horobaina; ho valin’ny heloka rehetra nataonao manerana ny taninao manontolo izany.


ary eny antampon-tendrombohitra any an-tsaha. Hatolotro horobaina avokoa ny fanananao sy ny haren-tsarobidinao, mbamin’ireo toeran-tsampinao koa aza ho valin’ny ota nataonao tao amin’ny faritaninao manontolo.


Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.


Miakatra avy any anaty akata ny liona ary efa eny an-dalana ny mpandrava firenena; niala tao amin’ny toerany izy mba handrava ny taninareo sy hampahalao ny tanànanareo tsy hisy mponina intsony.


Tapitra haripak’io firenena io avokoa ny vokatrareo sy ny mofonareo, ny zanakareo lahy sy ny zanakareo vavy, ny omby sy ondry aman’osinareo, ary ny voalobokareo sy ny aviavinareo. Horavany amin’ny ady ny tanànamimanda izay noheverinareo hitokiana.


Mba misy olon-kendry anankiray ve mba afaka hahatakatra izao? Raha nitenenan’ny TOMPO izy, dia aoka mba hanambara izay antony nahasimba ny tany sy nahavoadoro azy ho tahaka ny taniefitra ka tsy andalovan’olona intsony.


Ianareo vehivavy, mihainoa ny tenin’ny TOMPO, sokafy tsara ny sofinareo amin’izay lazainy: ampianaro hira fisaonana ny zanakavavinareo, samia ianareo mampianatra ny namany avy izao tononkira fitomaniana izao:


Lasan’ny hafa ny tanindrazanay, lasan’ny vahiny ny tranonay.


Koa natosako teo aminy ny fahavinirako ary naripako tamin’ny afom-pahatezerako izy sady nampizakaiko ny vokatry ny fitondrantenany. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Hariany eny an-dalambe ny volafotsiny ary hataony toy ny tain-drendrika ny volamenany satria na ny volafotsy na ny volamena dia samy tsy hahavonjy azy amin’ny androm-pahatezeran’ny TOMPO. Tsy hahafa-po azy na hahavoky azy izany satria ny volafotsy sy ny volamena no tonga fototry ny heloka ataony.


Havelako horobain’ny vahiny koa ireny sy hofaohin’ny olon-dratsy ho babo rehefa avy nozimbazimbainy.


Asaiko tonga ireo hafa firenena lozabe mba haka ny tranon’ny mponina. Hatsahatro ny avonavon’ireo mahery ary hozimbazimbaina ny toeramasiny.


Nohosihosenareo ny malahelo ka nangalanareo am-paham-bary ny vokatra avy aminy. Noho izany, dia tsy hitoetra amin’ny trano vato voapaika nataonareo ianareo, ary tsy hisotro ny divay avy amin’ny voaloboka tsara nambolenareo.


Koa, noho ny aminareo, i Tsiôna dia hasaina toy ny tanimboly; i Jerosalema ho tonga korotam-bato; ary ny tendrombohitra misy ilay tempoly ho rakotry ny kirihitra ala.


Hamafy ianareo, nefa tsy hijinja; hanery ôliva, nefa tsy hihosotra menaka; hanosihosy voaloboka, nefa tsy hisotro divay.


Amin’izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon’ny tompony amin’ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.


Hisy vehivavy efa fofombadinareo fa lehilahy hafa no hahazo azy; hanao trano ianareo, fa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka ianareo, fa tsy handray ny vokany.


Hamboly voaloboka ka hikolokolo azy ianareo, nefa tsy hisotro divay akory; tsy hioty voaloboka akory aza ianareo, satria hohanin’ny fositra ireny.


hihinana ny vokatry ny fiompianareo sy ny vokatry ny taninareo, mandra-paharinganareo. Tsy havelany ho anareo na vary, na divay, na ny zanak’omby sy ondry aman’osinareo, mandra-pahafongony anareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra