Zakaria 8:13 - DIEM PROTESTANTA13 Ry fanjakan’i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin’ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201113 Ary toy ny nahatonga anareo ho fanozonana tany amin’ny Jentilisa, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Israely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo ka ho tonga fitahiana kosa ianareo. Aza matahotra fa mahereza ianareo! Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara13 Ry fanjakan’i Joda sy i Israely, toy ny nahatongavanareo ho oha-panozonana tany amin’ny hafa firenena, dia toy izany koa ankehitriny no anafahako anareo ka hahatonga anareo ho oha-pitahiana; koa aza matahotra intsony, fa mahereza.» Jereo ny tokoBaiboly Katolika13 Ary hisy toy izao: Toy ny naha-fanozonana anareo tany amin’ny firenena, ry taranak’i Jodà sy taranak’i Israely, no hanafahako anareo, ka hahatongavanareo ho fitsofan-drano. Aza matahotra fa aoka hatanjaka ny tananareo!» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin’ny firenena, ry taranak’i Joda sy ry taranak’Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa hianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tànanareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible13 Ary toy ny nahatongavanareo ho fanozonana tany amin'ny firenena, ry taranak'i Joda sy ry taranak'Isiraely, dia ho toy izany no hamonjeko anareo, ka dia ho tonga fitsofan-drano kosa ianareo; aza matahotra, fa aoka hatanjaka ny tananareo. Jereo ny toko |
Hoenjehiko amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy, ka ho raiki-tahotra ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany raha mahita azy. Any amin’ny firenen-kafa rehetra izay hampielezako azy, dia horaisina ho ohatra izy hoenti-manozona sy hoenti-milaza zava-mahatahotra sy mampihoron-koditra na mahamenatra;
Dia niteny indray i Jeremià hoe: –Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Tahaka ny nanosahako ny fahatezerako sy ny fahavinirako tamin’ny mponin’i Jerosalema no hanosahako ny fahavinirako aminareo koa, raha mankany Ejipta ianareo. Dia hatsiravina sy hampahonena ianareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana, ary tsy hahita ity toerana ity intsony.»
Halaiko ireo Jodeanina sisa tavela izay nanapa-kevitra handeha hialokaloka any Ejipta, ka ho lany ritra izy rehetra. Any amin’io tany io no hahalavoany sy hahalany ritra azy amin’ny ady sy ny mosary; eny, toy izany no hahafaty azy na ny kely na ny lehibe. Dia hatao ohatra filazàn-javatra maharikoriko sy mampivarahontsana na filazana ozona sy latsa ireo.