Zakaria 11:16 - DIEM PROTESTANTA16 Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201116 Fa indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hikarakara ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny maratra, na hiandry izay mbola matanjaka, fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara16 Fa indro Aho hampijoro mpiandry vaovao eto amin’ity tany ity, dia mpiandry izay tsy hanan-draharaha ny ondry misy mitady hamono na hikatsaka ny very na hitsabo ny marary na hikarakara ny mbola matanjaka; fa dia hihinana ny henan’izay matavy kosa izy sady hamaky ny kitrony. Jereo ny tokoBaiboly Katolika16 Fa indro Aho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hanan-draharaha amin’ny ondry maniasia, tsy hitady ny mihahaka, tsy hitsabo ny naratra, tsy hamahana ny salama, fa hihinana ny nofon’izay matavy, sy hamaky ny kitrony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. Jereo ny tokoMalagasy Bible16 Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin'ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon'ny matavy sady helakelahiny ny kitrony. Jereo ny toko |
Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin’ny ondriko ianareo ary hoesoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.
«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.