Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Rota 1:21 - DIEM PROTESTANTA

21 Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin’ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 Fa nanam-be aho fony niala teto, fa izao kosa nampodin’ny TOMPO tsy manana na inona na inona; koa aza antsoinareo intsony re aho satria efa namely ahy ny TOMPO Tsitoha ary efa nahatonga loza tamiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Feno tanana aho no nivoaka fa foan-tanana kosa no ampodin’i Iaveh. Ka ahoana no iantsoanareo ahy hoe Nôemì ihany; nefa i Iaveh no efa nitsangan-kamely ahy, ary ny Tsitoha no efa nampahory ahy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin’i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Nivoaka nanam-be aho, fa ampodin'i Jehovah tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no ataonareo hoe Naomy, fa Jehovah efa nitsangan-ko fahavaloko, ary ny Tsitoha efa nampahory ahy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Nivoaka nanam-be aho fa nampodìn’NY TOMPO ho tsy manana na inona na inona. Nahoana aho no mbola ataonareo hoe Naomy, nefa NY TOMPO nitsangana ho fahavaloko, ary ny Tsitoha nampahory ahy?

Jereo ny toko dika mitovy




Rota 1:21
8 Rohy Ifampitohizana  

sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’ineny, ary mitanjaka koa no hiverenako avy an-kibon’ny tany. Ny TOMPO no nanome, ny TOMPO no naka. Isaorana anie ny anaran’ny TOMPO.


Totoafo ny fanafihana ataonao amiko; ataonao avo roa heny ny fahatezeranao amiko, ary tafika mifanontona no mamely ahy.


No dia didim-pitsarana mangidy loatra no soratanao hamelezana ahy, ka ampanodiavinao ahy mbamin’ny heloky ny fahatanorako.


Ireo ketrona nataony amiko no vavolombelona, ary ny fahiazako no miampanga sy manameloka ahy.


Fa noketrahin’Andriamanitra aho mba hangaihay, ka nahintsan’ireo olona ireo ny lamboridy izay nihazonako azy.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


moa ve hahandry azy mandra-pahalehibeny ianareo ka hahonon-tena tsy hanambady? Tsia, rey anaka, satria hampahory loatra anareo ny anjarako, fa hamely ahy no naninjiran’ny TOMPO ny tanany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra