Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 5:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia saropiaro ny lahy ka miahiahy ny vadiny sady voaloto tokoa io; na saropiaro izy ka miahiahy ny vadiny saingy tsy voaloto kosa io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 na koa misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto Ravehivavy, na raha misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, kanefa tsy voaloto Ravehivavy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia saropiaro ny lahy ka miahiahy ny vadiny sady voaloto tokoa io; na saropiaro izy ka miahiahy ny vadiny saingy tsy voaloto kosa io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny manao fahalotoana, na raha voan’ny fiahiahiana ny lahy, ka miahiahy ny vadiny tsy manao fahalotoana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 kanefa misy fiahiahiana ao amin’ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin’ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 kanefa misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto ravehivavy; na misy fiahiahiana ao amin'ny lahy, ka miahiahy ny vadiny izy, kanjo tsy voaloto ravehivavy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 na koa misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, sady efa voaloto Ravehivavy, na raha misy fiahiahiana ao amin’ny lahy ka miahiahy ny vadiny izy, kanefa tsy voaloto Ravehivavy,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 5:14
5 Rohy Ifampitohizana  

Satria ny fahasaro-piaro dia hampisafoaka ny vadin’izany vehivavy izany; ka tsy hiantra rafilahy izy amin’ny andro hamaliany faty.


Ataovy eo ambonin’ny fonao aho toy ny tombokasenao manokana; ary tazony eo an-tsandrinao aho toy ny vato voasokitra ho anao. Fa mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana, tsy mifaditrovana toy ny toeran’ny maty ny fitiavana mirehidrehitra. Lelafo miredareda tokoa izy ary mahery vaika toy ny varatra.


Koa dia andrasonareo ny famaizako amin’ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon’ny fahasaro-piaroko.


na misy lehilahy azon’ny fahasaropiaro ka miahiahy ny vadiny: hasain’ny lahy miseho eo anatrehan’ny TOMPO ravehivavy hampiharan’ny mpisorona izany fombam-pivavahana rehetra izany.


Sa te hampahasaro-piaro ny Tompo ve isika? Mihevitra ho mahery noho Izy Tompo ve isika?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra