Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 33:7 - DIEM PROTESTANTA

7 niala teo Etama, dia niverina tao Py-Hahirôta tandrifin’i Bahala-Tsefôna ka nitoby teo akaikin’i Migdôla;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Niala tao Etama dia niverina nankany Py-Hahirota, izay tandrifin’i Baala-Zefona ka nitoby tandrifin’i Migdola.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 niala teo Etama, dia niverina tao Py-Hahirôta tandrifin’i Bahala-Tsefôna ka nitoby teo akaikin’i Migdôla;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Niala tao Etama izy, dia nivily tao Fihahirôta, izay mifanandrify amin’i Beelsefôna, ka nitoby teo anoloan’i Magdalôma.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin’i Bala-zefona, ka nitoby tandrifin’i Migdola.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nony niala tao Etama izy, dia nivily nankao Pi-hahirota, izay tandrifin'i Balazefona, ka nitoby tandrifin'i Migdola.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 33:7
4 Rohy Ifampitohizana  

Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO manao hoe:


–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina.


Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.


niala teo Py-Hahirôta, dia namakivaky ny ranomasina mba hihazo ny taniefitra ary nandeha lalana telo andro tany an-taniefitra dia nitoby tao Marà.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra