Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 28:3 - DIEM PROTESTANTA

3 «Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Lazao aminy hoe: Izao no fanatitra levonina amin’ny afo, izay hatolotrao ho an’NY TOMPO: Zanak’ondry izay iray taona sady tsy misy kilema, roa isanandro, ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 «Izao no sakafo dorana izay hatolotrareo ho an’ny TOMPO isan’andro: zanak’ondry roa izay samy herintaona avy sady tsy misy kilema. Ho sorona dorana manontolo tsy tapaka ho Azy izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Lazao aminy hoe: izao no sorona atao amin’ny afo, haterinareo ho an’i Iaveh. «Isan’andro, zanak’ondry roa, efa iray taona, tsy misy kilema, ho sorona dorana tsy tapaka:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary lazao aminy hoe : Izao no fanatitra atao amin’ny afo, izay haterinareo ho an’i Jehovah: zanak’ondry roa isan-andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary lazao aminy hoe: Izao no fanatitra atao amin'ny afo, izay haterinareo ho an'i Jehovah: zanak'ondry roa isan'andro izay iray taona sady tsy misy kilema, ho fanatitra dorana mandrakariva

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Lazao aminy hoe: Izao no fanatitra levonina amin’ny afo, izay hatolotrao ho an’NY TOMPO: Zanak’ondry izay iray taona sady tsy misy kilema, roa isanandro, ho fanatitra mandrakariva, dorana manontolo izany,

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 28:3
25 Rohy Ifampitohizana  

Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely,


Araka ny didin’i Mosesy dia nanatitra izay fanao isan’andro i Salômôna tamin’ny sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fety lehibe telo isan-taona, izany hoe ny fety fihinanana mofo tsy misy leviora, ny fetin’ny Pentekôsta ary ny fetin’ny Tranotomboka.


Taorian’izany dia natolotry ry zareo ny sorona dorana manontolo tsy tapaka sy ny sorona dorana manontolo fanao amin’ny voaloham-bolana na amin’ny fankalazana rehetra voatokana ho an’ny TOMPO ary koa ny avy amin’izay rehetra manao fanatitra an-tsitrapo ho Azy TOMPO.


Ary ireo miaramila hirahiny dia haka toerana eo anoloan’ny toeramasina mimanda ka hanazimba azy; hampitsahatra ny sorona fanao isan’andro amin’Andriamanitra izy sady hampiditra ilay fanimbazimbana mahatsiravina.


Ary manomboka amin’ny fotoana hampitsaharana ny sorona fanao isan’andro ka hampidirana ilay fanimbazimbana mahatsiravina dia hisy 1 290 andro.


Ary nitatra nihantsy hatramin’ilay Filohan’izany tafika izany aza izy, ka nanafoana ny sorona fanao isan’andro aminy sady nanimbazimba ny fiorenan’ny Toeramasiny.


Dia nandre anjely iray niteny aho; ary nisy anjely iray hafa nanontany azy hoe: «Mandra-pahoviana no haharetan’izay zavatra nasehon’ny fahitana? Mandra-pahoviana no ho foana ny sorona isan’andro, no hanjaka ny halozana mahatonga fandravana ary ho voahosihosy ny Toeramasina mbamin’ny tafiky ny lanitra?»


Ireo taranak’i Aharôna kosa handoro izany hanetona eo ambonin’ny alitara, miaraka amin’ireo sorona dorana manontolo eo ambonin’ny kitay mirehitra. Sakafo levonina amin’ny afo ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO izany.


Ny sisa amin’ny fanatitra kosa dia hohanin’i Aharôna sy ny taranany; kanefa hataony mofo tsy misy leviora izany, vao hohaniny eo amina faritra voatokana, dia eo amin’ny kianjan’ny Tranolay fihaonana.


Izao no teny hentitry Tompo ANDRIANANAHARY: «Mankanesa any Betela, ry taranak’i Israely, ka manotà ianareo; mankanesa any Gilgala, ka ampitomboy ny helokareo. Ento ny soronareo ny ampitson’ny ahatongavana, ary ny fahafolon-karenareo ny afakampitso.


Sorona dorana manontolo atolotra isan-tsabata izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


Hanolotra osilahy iray koa ho an’ny TOMPO ianareo ho sorona fanalana ny ota, ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


Hataonareo avokoa izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isa-maraina tsy tapaka.


Isan’andro mandritra ny herinandro no hanaovanareo izany ho an’ny TOMPO, dia sakafo dorana hanetona ho hanitra hankasitrahiny ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro sy ny fanatitra divay momba azy.


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro mbamin’ny fanatitra lafarinina momba azy; ary biby tsy misy kilema no hatolotrareo miaraka amin’ny fanatitra divay momba azy.


Ny zanak’ondry voalohany dia hatolotra ny maraina ary ny faharoa kosa ny hariva,


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany rehetra izany ho fanampin’ny sorona noho ny andro lehibe famelan-keloka sy ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra divay momba azy.


Hanatitra osilahy iray koa ianareo ho sorona fanalana ny ota. Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo tsy tapaka isan’andro ary ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy.


Hataonareo izany ho fanampin’ny sorona dorana manontolo isan’andro sy ny sorona dorana manontolo isaky ny andro voalohan’ny volana miaraka amin’ny fanatitra lafarinina sy divay momba azy; ho sakafo dorana ho an’ny TOMPO izany ka hanetona ho hanitra hankasitrahiny.


Nony ampitso, dia nahita an’i Jesoa avy nanatona azy i Jôhany ka hoy izy: –Indro ny Zanakondrin’Andriamanitra, Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao!


Rehefa voavoatra toy izany ireo zavatra ireo, dia ao amin’ny tranolay voalohany no idiran’ny mpisorona mandrakariva hanefa ny fanompoam-pivavahana;


Hivavaka eo anoloany daholo ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay. Io horonamboky io dia hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao no eo am-pelatanan’ilay Zanakondry Izay efa voavono ho faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra