Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 22:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy na manozona izany firenena izany fa voatahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Ary hoy i Andriamanitra tamin’i Balahama: –Tsy handeha hiaraka aminy ianao ary tsy hanozona koa io vahoaka izay efa notahîko io.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Fa hoy Andriamanitra tamin’i Balaama: «Aza mandeha miaraka amin’ireo, ary aza manozona izany vahoaka izany, fa nohasoavina izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Balama: Aza mandeha miaraka aminy, na manozona izany firenena izany, fa voatahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary hoy Andriamanitra tamin’i Balama: Aza mandeha miaraka aminy na manozona izany firenena izany fa voatahy izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 22:12
27 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Ka i Hazarià mpisorombe, anisan’ny taranak’i Tsadôka, no namaly azy hoe: –Hatramin’ny niandohan’ny fitondran’ny olona ampaham-bokatra an-tranon’ny TOMPO, dia nanana hanin-kahavoky izahay, sady be koa ny ambiny tavela satria ny TOMPO efa nitahy ny vahoakany. Ireo navelanay mivangongo ireo ny ambiny.


Sambatra ny firenena izay hahazo fanambinana toy izany! Sambatra ny firenena izay manana ny TOMPO ho Andriamanitra!


Sambatra izay manana an’Andriamanitra ho Mpitahy, dia ilay Andriamanitr’i Jakôba; sambatra izay mametraka ny fitokiany ao amin’ny TOMPO Andriamaniny:


Ho fantatra any amin’ny firenen-kafa ny taranakareo, ary eo anivon’ireo vahoaka ny solofonareo; izay rehetra mahita azy dia hiaiky fa taranaka tahîn’ny TOMPO izy.


Ry vahoakako, mba tsarovy izay nokasain’i Balàka mpanjakan’i Môaba hatao sy ny navalin’i Bilehama zanakalahin’i Behôra azy, ary izay niseho hatreo Sitima ka hatrany Gilgala, mba hahafantaranareo asa nanasoavako anareo.»


«Ilay vahoaka izay niala tany Ejipta dia mandrakotra ny taniko. Koa mba tongava atỳ re ianao, hanozona azy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy.»


Ny ampitso maraina, rehefa nifoha i Balahama, dia niteny tamin’ireo olo-manan-kaja nirahin’i Balàka hoe: –Miverena any amin’ny taninareo, fa tsy navelan’ny TOMPO hiaraka aminareo aho.


Koa mba tongava atỳ re ianao hanozona io vahoaka io, fa mahery noho izaho izy; angamba haharesy azy aho amin’izay ka haharoaka azy hiala amin’ny tany. Satria fantatro fa izay tsofinao rano dia voatsodrano ary izay ozoninao dia voaozona.»


Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.


Dia hoy i Balahama tamin’i Balàka: –Mijanòna ihany eto akaikin’ny sorona dorana manontolo natolotrao, fa izaho kosa hihataka kely hijery raha ho avy hihaona amiko ny TOMPO na tsia; koa izay hasehony amiko dia hambarako anao. Ary lasa i Balahama nankany amin’ny tendrombohitra anankiray mangadihady.


Hataoko ahoana anefa no fanozona izay tsy mba nozonin’Andriamanitra? Ary hataoko ahoana koa no fandrahona izay tsy mba norahonan’ny TOMPO?


Mamita-mandry toy ny liona na tahakan’ny bibidia masiaka izy, koa zovy no sahy hanaitra azy? «Eny hotahîna anie izay hitsodrano anao, ry Israely, ary ho voaozona kosa anie izay hanozona anao!»


Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»


Satria tsy anenenan’Andriamanitra ny fanomezam-pahasoavany sy ny fiantsoany.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Eny, Izaho TOMPO Andriamanitrareo efa nitahy anareo tamin’izay rehetra nataonareo. Fantatro ny nandehananareo namaky ity taniefitra midadasika ity; satria efapolo taona izay no momba anareo Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy nanan-java-mahory ianareo.»


Tsy nitsena sakafo sy rano anareo teny an-dalana manko ny Hamônita sy ny Môabita fony ianareo niala tany Ejipta; sady ry zareo Môabita koa no nampaka an’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra, avy tany Petôra any Mezôpôtamia, ary nanamby vola azy mba hanozona anareo.


Hotahîna ianareo na miditra na mivoaka ny tranonareo.


Sambatra ianareo, ry Israelita! Iza no tahaka anareo, ry vahoaka voavonjin’ny TOMPO? Izy no ampinga miaro anareo sy sabatra ireharehanareo. Hikoy aminareo ny fahavalonareo, ka hohitsahinareo ny toerana avo fivavahany.»


Hotahîny mihoatra noho ny firenena hafa rehetra ianareo; tsy hisy lahy na vavy momba eo aminareo na eo amin’ny biby fiompinareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra