Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 17:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy ka nitsahatra ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Nijoro teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, dia nitsahatra ny loza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia nijanona teo anelanelan'ny maty sy ny velona izy, ka dia nitsahatra ny areti-mandringana. Ary izay efa matin'ny areti-mandringana dia fiton-jato amby efatra arivo sy iray alina, afa-tsy izay efa maty noho ny amin'i Kora. Ary Arona niverina ho eo amin'i Mosesy teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; ary ny areti-mandringana dia nitsahatra. Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely, ka analao tehina iray avy araka ny fianakaviany izy, ka ny lohan'ny fireneny rehetra araka ny fianakaviany avy no hanalana azy, dia tehina roa ambin'ny folo; ary samy soraty eo amin'ny tehiny avy ny anaran'izy rehetra. Fa ny anaran'i Arona no hosoratanao amin'ny tehin'i Levy; fa tehina iray avy no ho an'ny lohan'ny fianakaviany. Dia hataonao ao amin'ny trano-lay fihaonana ireo, dia eo anoloan'ny Vavolombelona, izay ihaonako aminareo. Ary ny tehin'ny lehilahy izay hofidiko dia hitsimoka; ka dia hampanginiko ny fimonomononan'ny Zanak'Isiraely amiko, izay imonomononany aminareo. Ary Mosesy dia niteny tamin'ny Zanak'Isiraely, ka ny lohan'ny firenena dia samy nanatitra tehina iray avy teo aminy araka ny fianakaviany, dia tehina roa ambin'ny folo; ary ny tehin'i Arona dia teo afovoan'ireo tehiny ireo. Dia napetrak'i Mosesy teo anatrehan'i Jehovah, dia tao amin'ny trano lain'ny Vavolombelona ireo tehina ireo. Ary nony ampitso dia niditra tao amin'ny trano-lain'ny Vavolombelona Mosesy, ary indro fa nitsimoka ny tehin'i Arona, izay ho an'ny taranak'i Levy, dia nanaroka sy namony ka namoa amygdala. Dia nentin'i Mosesy nivoaka hiala eo anatrehan'i Jehovah ny tehina rehetra, ho eo amin'ny Zanak'Isiraely rehetra; dia nijery izy, ka samy nandray ny tehiny avy. Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Avereno ny tehin'i Arona ho eo anoloan'ny Vavolombelona, hotehirizina ho famantarana ho an'ny mpiodina, ka dia hatsahatrao hiala amiko ny fimonomononany, mba tsy ho faty izy. Dia nataon'i Mosesy izany; araka izay efa nandidian'i Jehovah azy no nataony. Dia niteny tamin'i Mosesy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Indro, maty izahay, ringana izahay, eny, ringana avokoa izahay rehetra. Ho faty izay rehetra manakaiky, dia izay manakaiky ny tabernakelin'i Jehovah; ho lany maty va izahay?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia nijanona teo anelanelan’ny maty sy ny velona izy ka nitsahatra ny areti-mandringana.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 17:13
21 Rohy Ifampitohizana  

afa-tsy ny voan’ny hazo eo afovoan’ny zaridaina izay efa nandraran’Andriamanitra anay tsy hohanina na hokasihina akory, fandrao mahafaty anay.


Ary nanorina alitara tamin’io toerana io i Davida ka nanao sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana tamin’ny TOMPO. Dia niantran’ny TOMPO ilay tany; ka nitsahatra tsy namely an’i Israely intsony ny areti-mandringana.


Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.


Lanin’ny fahatezeranao izahay ary tonafan’ny fahaviniranao.


Koa ankehitriny, aza maniratsira intsony ianareo fandrao hihamafy kokoa ny tady eny am-bozonareo; satria ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao no nandrenesako fa efa voatendry ny handravany tanteraka ity tany ity.


Niteny tamin’ny fiangonana izy nanao hoe: –Halaviro ny lain’ireo ratsy fanahy ireo, ary aza mikasika izay azy akory, fandrao maty noho ny fahotany rehetra koa ianareo.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Aharôna: –Ianao sy ny taranakao ary ny taranak’i Levỳ razambenao no hitambesaran’ny heloka atao amin’ny Toeramasina. Fa ianao sy ny taranakao irery ihany no ho tompon’andraikitry ny heloka ataonareo amin’ny fisoronana.


narahiny hatrany an-dainy ilay lehilahy israelita ka nolefoniny niaraka tamin’ny vadiny tao. Dia nitsahatra ny areti-mandringana namely ny Israelita.


Tezitra aoka izany tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nampirenireny azy efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahalany tamingana izay rehetra nanao ratsy teo anatrehany.


Nony nandre izany teny izany i Hananià, dia nidaboka ho azy ka niala aina. Ary raiki-tahotra mafy izay rehetra nandre izany.


Fa ankehitriny kosa, ao amin’i Kristy Jesoa, ianareo izay lavitra fahiny dia efa tonga akaiky, noho ny ra nafoin’i Kristy.


Rehefa lany ritra tsy teo anivon’ny vahoaka israelita intsony ny mpiantafika rehetra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra