Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 13:32 - DIEM PROTESTANTA

32 Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Israely izy ireo ka niteny hoe: Ny tany izay nalehanay mba hosafoina dia tany mihinana izay monina ao ary ny olona rehetra izay hitanay tao dia olona vaventy be;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

32 Dia nanao izay haharatsy laza ny tany izay nosafoiny tamin’ny Israelita izy ireo ka niteny hoe: –Ny tany izay nosafoinay dia tany mamono ny olona tonga monina ao, ary ny olona izay hitanay tao dia ranjanana avokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

32 Sady nataony laza ratsy teo anatrehan’ny zanak’i Israely ny tany izay nosafoiny, ka hoy izy: «Ny tany notetezinay nosafoina dia tany mandevona ny mponina aminy; ny olona rehetra hitanay tany dia olona avo ranjanana daholo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin’ny Zanak’Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

32 Dia nilaza ratsy ny tany izay nosafoiny tamin'ny Zanak'Isiraely izy ka nanao hoe: Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany izay mandevona ny monina eo, ary ny olona rehetra izay hitanay teo dia olona vaventibe;

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 13:32
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia mbola nisy ady koa tany Gata; ary tao dia nisy olona raindahiny nanana rantsan-tanana enina sy rantsan-tongotra enina, izany hoe efatra amby roapolo no fitambarany. Ilehio koa dia taranak’i Harafà.


Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy.


Avy eo tsy nasiany lanjany akory ilay tany mahafinaritra ary tsy ninoany velively ny fampanantenan’Andriamanitra;


Hampivoivoy anareo ao amin’ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony.›


Izaho koa no nampiakatra anareo avy tany Ejipta sady nitari-dàlana anareo efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahazoanareo ny tanin’ny Amôrita.


Izaho anefa no nandringana ny Amôrita teo anatrehany, dia olona ranjanana tahaka ny hazo sedera ary matanjaka tahaka ny hazo ôaka; eny, nopotehiko avokoa na ny fotony na ny voany.


Saingy ny mponina ao aminy kosa dia mahery, ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe. Hitanay tao koa aza ny taranaky ny Hanakita.


–Mampalahelo ianareo, ry mpahay lalàna sy Farisianina mpihatsaravelatsihy! Fa hidianareo eo anoloan’ny olona ny vavahady mankao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra; ka ianareo tsy miditra, ary izay te hiditra tsy avelanareo hiditra. [


Aiza ity hiakarantsika? Mpiray firenena amintsika no efa nanaketraka ny fontsika tamin’ny nanaovany hoe: Vaventy sy ranjanana noho isika ny olona monina ao; ny tanàna dia lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra; ary efa hitanay tao aza ny taranak’i Hanàka!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra