Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Nomery 12:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra herinandro va izy? Avaho mandritra ny fito andro any ivelan’ny toby izy. Fa aorian’izany izy vao afaka miditra ao indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany ny rainy, moa tsy ho afa-baraka hafitoana va izy? Koa atokana any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, izay vao hiverina indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra herinandro va izy? Avaho mandritra ny fito andro any ivelan’ny toby izy. Fa aorian’izany izy vao afaka miditra ao indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Raha nororan-drainy ny tavany, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? Mitokàna any ivelan’ny toby izy hafitoana, fa rehefa afaka izany vao horaisina ao indray.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Dia hoy Jehovah tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan’ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Raha nandrora tamin'ny tavany rainy, moa tsy ho menatra hafitoana va izy? koa atokàny any ivelan'ny toby hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, dia ampidiro indray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Hoy NY TOMPO tamin’i Mosesy: Raha nandrora tamin’ny tavany ny rainy, moa tsy ho afa-baraka hafitoana va izy? Koa atokana any ivelan’ny toby mandritra ny hafitoana izy, ary rehefa afaka izany, izay vao hiverina indray izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Nomery 12:14
13 Rohy Ifampitohizana  

Namely ny mpanjaka tamin’ny aretina ny TOMPO; ka tonga boka mandra-pahafatiny izy ary voatery nitoka-monina tao amin’ny trano anankiray. Ka dia i Jôtama, zanany lahy sady efa mpifehy ny tao an-dapa no nitondra ny tany sy ny fanjakana.


Izaho no ambentin-kiran’ny olona sy fandrorany an-tava hatrany.


Maharikoriko azy aho ka halaviriny; ary tsy menatra ny mandrora ny tavako izy.


Ny lamosiko atolotro amin’ireo mpikapoka ahy, ary ny takolako amin’ireo mpanongo-bolom-bava. Ny tavako tsy nafeniko ho difin’ny fanevatevana sy ny fandrorana natao tamiko.


Raha misy pentina fotsy mangirana kosa eo amin’ny hoditry ny olona, nefa tsy mandoaka hoditra no fahitana io pentina io sady tsy niova ho fotsy ny volo eo, dia hatokan’ny mpisorona toerana mandritra ny fito andro ilay marary.


Hanasa fitafiana ilay diovina, sy hanaratra ny volo rehetra eo amin’ny tenany ary handro amin’ny rano, dia hadio. Hiditra ao an-toby izy aorian’izany, kanefa hitoetra eo ivelan’ny tranolainy mandritra ny fito andro.


Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO


Tamin’izay dia nandrora ny tavan’i Jesoa ry zareo ary namely totohondry Azy; ny sasany kosa namely tehamaina Azy


dia hanatona azy eo anatrehan’ireo loholona ity vadin-drahalahiny ka hanala ny kapa amin’ny tongo-dralehilahy ary handrora amin’ny tavany sady hiteny hoe: «Toy izany no hatao amin’ny lehilahy tsy mety manome taranaka ny rahalahiny!»


Nanana ny raintsika eto an-tany isika, ary nampihatra famaizana tamintsika izy ka izany no anajantsika azy; fa vao mainka tokony hanaiky ilay Raintsika any an-danitra isika mba ho velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra