Nehemia 5:12 - DIEM PROTESTANTA12 Dia hoy ireo hoe: –Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin’ny mpitrosa. Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an’ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Dia hoy ireo: Eny, haverinay izany ka tsy haka na inona na inona aminy izahay fa hanatanteraka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana azy ireo mba hanatanteraka izany teny izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Dia hoy ireo hoe: –Eny, hanao araka izay lazainao izahay. Hamerina izay nalainay izahay ary tsy hitaky na inona na inona amin’ny mpitrosa. Dia niantso ny mpisorona aho ka teo anatrehany no nampianianako an’ireo mpampisambotra fa hanao araka izany toky nomena izany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Ka izao no navalin’izy ireo: «Haverinay izany, ary tsy hitaky na inona na inona aminy intsony izahay, fa hotanterahinay ny voalazanao.» Dia nantsoiko ny mpisorona ary nampanaoviko fianianana fa araka izany teny izany no hataony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany, Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Dia hoy ireo: Eny, haverinay izany ka tsy haka na inona na inona aminy izahay fa hanatanteraka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana azy ireo mba hanatanteraka izany teny izany. Jereo ny toko |
eny, ny olona sisa dia samy nikambana tsara tamin’ireo Israelita manan-kaja ireo; ka nianiana mafy izy rehetra hanaraka ny lalàna izay nampitain’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy mpanompony, ary hitandrina sy hanatanteraka ny didy sy fitsipika aman-dalàna rehetra izay nataon’ny TOMPO Andriamanitray.
Dia nifandahatra tamin’ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin’ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin’ny hafa firenena ho vadin’ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe: