Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 7:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ary nony efa madiva hisasaka ny alina, dia tonga teo an-tsisin’ny toby i Gidehôna sy ny antokon’olona niaraka taminy. Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’izay. Nitsoka trompetra ry i Gidehôna sady namaky ny siny nentiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana faharoa i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana amin’ny misasakalina; dia nitsoka anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ary nony efa madiva hisasaka ny alina, dia tonga teo an-tsisin’ny toby i Gidehôna sy ny antokon’olona niaraka taminy. Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’izay. Nitsoka trompetra ry i Gidehôna sady namaky ny siny nentiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Vao avy nosoloina ny mpiambina tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana misasaka alina no tonga tao amin’ny sisin’ny toby i Jedeôna sy izy zato lahy niaraka taminy, dia nitsoka trômpetra sy namaky ny siny teny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tànany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Dia nankany amin’ny sisin’ny toby tamin’ny fiandohan’ny fotoam-piambenana faharoa i Gideona sy ny zato lahy niaraka taminy raha vao nanomboka ny fotoam-piambenana amin’ny misasakalina; dia nitsoka anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 7:19
11 Rohy Ifampitohizana  

ary hofehezinao amin’ny tehim-by ka ho azonao potehina toa vilany tany.»


Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny andro omaly efa lasana na ora vitsivitsy amin’ny alina.


Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin’ny Ejiptianina avy teo amin’ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.


Nony mamatonalina, dia nisy niantso mafy hoe: «Intỳ tamy ny mpampakatra! Mandehana ianareo mitsena azy!»


Satria fantatrareo tsara fa ny andron’ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian’ny mpangalatra amin’ny alina.


«Indro avy toy ny mpangalatra Aho, hoy ny Tompo. Sambatra izay miari-tory sy mitandro ny fitafiany, fandrao mandeha miboridana ka ho hita mitanjaka!»


Nozarain’i Gidehôna ho antokony telo ireo telonjato lahy, ka samy nomeny trompetra iray sy siny foana iray ary fanilo iray avy isan-dahy ka hapetraka ao anaty siny.


Raha mitsoka trompetra ny tenako sy ny olona miaraka amiko, dia mba mitsofa trompetra manodidina ny toby koa ka miantsoantsoa hoe: «Ho an’ny TOMPO sy ho an’i Gidehôna!»


Dia nanao toy izany koa ireo antokony roa hafa. Samy nihazona ny fanilo tamin’ny tanany havia izy rehetra ary nitana ny trompetra tamin’ny tanany havanana hitsofany azy; dia niantsoantso izy hoe: «Tafiho amin’izay, ho an’ny TOMPO sy ho an’i Gidehôna!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra