Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 6:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Ary nony nifoha ny olona ny maraina, dia nahita fa rava ny alitaran’i Bahala, voakapa ny tsatokazon’i Aserà teo anilany, ary nisy ombilahy iray natao sorona dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara vao namboarina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Nony nifoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna ka nahita fa indro, potika ny alitaran’ny Baala sady voakapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara izay voaorina,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Ary nony nifoha ny olona ny maraina, dia nahita fa rava ny alitaran’i Bahala, voakapa ny tsatokazon’i Aserà teo anilany, ary nisy ombilahy iray natao sorona dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara vao namboarina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Nony ampitso maraina, ka nifoha ny olona tao an-tanàna, dia indro fa ny ôtelin’i Baala rava, ny Aserah teo anilany voakapa, ny ombalahy faharoa, voatolotra ho sorona dorana, teo ambonin’ny ôtely vao naorina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka, indro, efa rava ny alitaran’i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin’ny alitara izay natao,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Nony nifoha vao maraina ny lehilahy tao an-tanàna ka nahita fa indro, potika ny alitaran’ny Baala sady voakapa ny tsangankazon-tsampy ho an’ny Aseraha izay teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ilay alitara izay voaorina,

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 6:28
4 Rohy Ifampitohizana  

Izy no nanafoana ny toeram-panasinana sy nanamontsana tsangambaton-tsampy sy nikapa ny tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nanorotoro ny bibilava halimo izay nataon’i Mosesy; satria hatramin’io fotoana io no efa nandoroan’ny Israelita ditin-kazo manitra ho an’ilay bibilava nantsoina hoe Nehostana.


Dia nifidy folo lahy tamin’ireo mpanompony i Gidehôna mba hanao araka izay efa nandidian’ny TOMPO azy. Saingy tamin’ny alina no nanatanterahany azy fa natahotra ny hanao azy tamin’ny antoandro izy noho ny amin’ny fianakaviany sy ny mponina tao an-tanàna.


Koa nifanontany ny olona hoe: –Iza no nanao an’izao zavatra izao? Dia nikaroka sy nanao ampamoaka izy; ka nisy nilaza fa i Gidehôna, zanakalahin’i Jôasy, no nanao azy.


Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela ka nanolotra izany ho sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO; dia nitalaho tamin’ny TOMPO ho an’ny vahoaka Israely izy, ary ny TOMPO namaly ny vavaka nataony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra