Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 4:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ny Zanak’Israely rehefa maty i Ehoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary rehefa maty i Ehoda, dia nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nony maty i Aoda, dia mbola nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh indray ny zanak’i Israely;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY ny Zanak’Isiraely nanao izay ratsy eo imason’i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nanao izay ratsy teo imason’NY TOMPO indray ny Zanak’Israely rehefa maty i Ehoda.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 4:1
12 Rohy Ifampitohizana  

TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,


Ary mbola nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka nanompo ny Bahala sy Hastarôta andriamani-tsiizy, mbamin’ny andriamanitry ny Sirianina sy ny Tsidônianina na ny andriamanitry Môabita sy ny Hamônita ary ny Filistinina; fa nandao ny TOMPO izy ka tsy nanompo Azy intsony.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanompo ireo Bahala andriamani-tsiizy.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita. Noho izany dia nampirisihin’ny TOMPO hamely azy i Heglôna, mpanjakan’i Môaba.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO ny Israelita fa nanadino ny TOMPO Andriamaniny ka nanompo ireo Bahala sy ireo Aserà.


Ary nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO indray ny Israelita ka natolotry ny TOMPO ho eo an-tanan’ny Midianita nandritra ny fito taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra