Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 16:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin’izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin’ny voamasoko roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary niantso NY TOMPO i Samsona hoe: TOMPO Andriamanitra ô, mifona aminao aho, tsarovy aho ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hanaovako indray mamaly ny Filistina noho ny masoko roa!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Koa niantso ny TOMPO i Samsôna nanao hoe: –Ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, mba tsarovy aho! Ka omeo hery aho, Andriamanitra ô, na dia amin’izao indray mandeha izao ihany aza mba hamaliako faty indray maka monja ireo Filistinina noho ny amin’ny voamasoko roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Dia niantso an’i Iaveh i Samsôna nanao hoe: «Ry Iaveh Tompo ô, mihanta aminao aho, tsarovy re aho, ka omeo hery amin’ity indray mandeha ity monja, ry Andriamanitra ô, mba hamaliako ny Filistinina amin’ny indray mitoraka ihany, noho ny amin’ny masoko roa.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary Samsona niantso an’i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin’ny masoko roa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 16:28
19 Rohy Ifampitohizana  

Ry Andriamanitray ô, tsy hanafay azy ireo va Ianao? Izahay manko tsy manan-kery hanoherana izany tafika goavana avy hamely anay izany, ka tsy hitanay izay hatao; fa Ianao kosa no andrandrain’ny masonay.


TOMPO Andriamanitro ô, mirotsaha an-tsehatra. Ahinjiro ny tananao hanafay ny olon-dratsy ka aza hadinoina re ireo malahelo.


ka niantso ny TOMPO nanao hoe: «Miangavy aho, TOMPO ô, mba vonjeo re aho!»


Noho ny fitiavanao ahy, dia fongory ny fahavaloko ka aringano avokoa ny mpandrafy ahy, satria mpanomponao aho.


Dia antsoy amin’ny andro mahory Aho, fa hanafaka anareo ka homenareo voninahitra.


Raha miantso vonjy amiko izy, dia hovaliako; raha azom-pahoriana izy, dia ho eo anilany Aho; hafahako izy sy homeko voninahitra.


TOMPO ô, fantatrao tsara ny amiko. Tsarovy aho ary mirotsaha an-tsehatra hamaly faty ireo mpanenjika ahy. Aza andeferana izy, fandrao ho faty aho. Satria aoka ho fantatrao fa noho ny aminao no itondrako latsa.


Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin’ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.


Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.


Ary inona koa no holazaiko? Tsy hanam-potoana aho raha hilazalaza momba an-dry i Gidehôna sy i Baràka, ry i Samsôna sy i Jeftà, ry i Davida sy i Samoela ary ny mpaminany.


Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»


Ary nahatsiaro nangetaheta mafy i Samsôna ka niantso vonjy tamin’ny TOMPO nanao hoe: –Ianao no nanome ahy izao fandresena lehibe izao; koa ankehitriny ve dia havelanao ho fatin-ketaheta aho, ka ho latsaka eo an-tanan’ireo tsy mifora ireo?


Ny tempoly anefa tamin’izay dia feno lehilahy sy vehivavy ary tao koa ny mpanjaka filistinina rehetra; ankoatra izany, teo an-tampontrano dia nisy olona tokony ho telo arivo, izay nijery an’i Samsôna nanao fanalana hamohamo.


Dia notsapatsapain’i Samsôna ireo andry roa afovoany izay nanohana ny tempoly; ka ny anankiray niankinan’ny tanany havanana, ary ny anankiray niankinan’ny tanany havia.


TOMPO ô, aoka ny fahavalonao rehetra ho faty tahaka an’i Siserà avokoa; fa ny sakaizanao kosa anie ho toy ny masoandro fony izy miposaka mamirapiratra mafy indrindra! Dia nandry feizay ny tany nandritra ny efapolo taona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra