Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 16:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Mbola namitaka ahy ihany ianao sady nilaza lainga tamiko; mba atoroy ahy re izay fomba tokony hamatorana anao. Dia namaly azy izy hoe: –Raha tenominao hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito amin’ny volon-dohako ka aompanao amin’ny fandraotra, dia hanjary osa aho ka ho tahaka ny olon-tsotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Hoy i Dalilà tamin’i Samsôna: «Mamazivazy ahy foana ianao hatramin’izao, ary lainga no nataonao tamiko. Fa izay tokony hamatorana anao no aoka hambaranao ahy.» Dia hoy izy taminy: «Izao ihany; tenomy hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Dia hoy Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany hianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenonima hikambana amin’ny tenona ny foto-bolo fito amin’ny lohako.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Dia hoy i Delila tamin’i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko. Lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy izy taminy: Raha randraninao miaraka amin’ny lamba voatenona ny randrana fito amin’ny lohako.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 16:13
4 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanjohy azy tamin-dranomaso ny vadiny tao anatin’ireo andro fito fanasana; ka tamin’ny andro fahafito, dia nilazan’i Samsôna ny valin’ny ankamantatra izy satria fatra-panao lemozy taminy. Avy eo ravehivavy dia nampita izany tamin’ny mpiray firenena aminy.


Ary hoy i Delilà tamin’i Samsôna: –Indro namitaka ahy ianao sady nilaza lainga tamiko; koa mba atoroy ahy re ankehitriny izay fomba tokony hamatorana anao.


Dia nalain’i Delilà ny tady mahazaka vaovao ka namatorany azy, dia nihiaka mafy izy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Efa nisy olona nafenin-dravehivavy indray manko tao an’efitrano. Kinanjo notapatapahin’i Samsôna hiala amin’ny sandriny ireo tady mahazaka ireo ka maito tahaka ny tady taretra.


Dia nampatorin’i Delilà i Samsôna ka notenominy hikambana amin’ny tenan-tenona ny randrana fito tamin’ny volon-dohany ary naompany tamin’ny fandraotra, dia nihiaka mafy ravehivavy hoe: –Ry Samsôna a, tonga hamely anao ny Filistinina! Dia nifoha i Samsôna ka nongotany ny fandraotra sy ny rafi-panenomana ary ny tenan-tenona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra