Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 10:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Nefa nahafoy Ahy ianareo ka nanompo andriamanitra hafa. Koa izany no tsy hamonjeko anareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Saingy ianareo dia nandao Ahy ka nanompo ireo andriamani-kafa. Noho izany dia tsy hamonjy anareo intsony Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Nefa ianareo kosa dia nandao Ahy ary nanompo andriamani-kafa, koa tsy hamonjy anareo intsony Aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Nefa hianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Nefa nahafoy Ahy ianareo ka nanompo andriamanitra hafa. Koa izany no tsy hamonjeko anareo intsony.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 10:13
11 Rohy Ifampitohizana  

«Ianao kosa, ry Salômôna zanako, fantaro ilay Andriamanitra notompoin’ny rainao, ka manompoa Azy amin’ny fo manontolo sy amin’ny fanahy mazoto; fa ny TOMPO dia mpandinika ny fon’ny olona rehetra ary mpahafantatra ny fieritreretana rehetra. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.


Noho ny fiavian’i Sisàka, dia tafavory tao Jerosalema i Rehabohama sy ireo mpifehy ny faritr’i Joda. Nanatona ny mpivory kosa i Semahià mpaminany ka nanao taminy hoe: –Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo efa nandao Ahy; Izaho koa mba mandao anareo ho eo ambany fifehezan’i Sisàka.»


ka niainga hitsena an’i Asà izy ary nanao taminy hoe: –Mihainoa ahy, ry Asà mbaminareo Jodeanina sy i Benjaminita rehetra. Miaraka aminareo ny TOMPO, raha miaraka aminy ianareo. Raha mitady Azy ianareo, dia hahita Azy; fa raha mandao Azy ianareo, dia hilaozany.


Hatreo dia nizaka tena sady nanohitra ny fahefana jodeanina ny Edômita mandraka androany. Tamin’izay fotoana izay koa ny tanànan’i Libnà no nikomy nanohitra ny fahefàn’i Jôrama, satria efa nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razany izy.


Faharatsiana roa sosona no nataon’ny vahoakako: fa sady nahafoy Ahy loharano velona izy no nihady lava-drano ho azy, kanjo lava-drano mitriatra ireny ka tsy nahatan-drano.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Raha iny efa ho faty iny aho, dia nahatsiaro Anao, TOMPO ô, ary ny vavaka nataoko taminao dia tonga tao an-tempolinao masina.


Koa nihinana ny taranak’i Jakôba, ka voky; nihanatavy i Jesoròna, ka namely daka. Eny, tonga natavy izy, vory nofo sy dongadonga ka nandao an’Andriamanitra Izay nanao azy ary nanamavo an’ilay Vatolampy famonjena azy.


Andeha antsoy ireo andriamani-tsiizy efa nofidinareo. Aoka ireo no hamonjy anareo amin’ny androm-pahorianareo!


Nandao ny TOMPO Andriamanitry ny razambeny Izay nitondra azy niala tany Ejipta izy ka nandeha nanompo andriamani-tsiizy, dia ny andriamanitr’ireo firenena manodidina azy. Andriamani-tsiizy no niankohofan’ny Israelita; ka nahatezitra ny TOMPO izany.


Kanjo raha vao maty ilay mpitsara, dia miverina indray amin’ny ratsy fanaony mihoatra noho ireo razany ny Israelita, ka manompo andriamani-tsiizy sy miankohoka eo anatrehany. Tsy nialany akory ny ratsy fanaony sy ny toetra maditra mahazatra azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra