Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 7:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Satria efa nanota tamin’ny TOMPO izahay, dia hozakainay ny fahatezerany, mandra-piarony ny adinay ka hanomezany rariny anay. Hamoaka anay ho eo amin’ny mazava Izy ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Satria efa nanota tamin’ny TOMPO izahay, dia hozakainay ny fahatezerany, mandra-piarony ny adinay ka hanomezany rariny anay. Hamoaka anay ho eo amin’ny mazava Izy ka ho finaritra izahay hahita ny soa nataony taminay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Hivesatra ny fahatezeran’i Iaveh aho, satria nanota taminy, mandra-piaikiny ny hiaro ahy amin’ny adiko, sy hampiharihariako ny rariny momba ahy; havoakany aho ho amin’ny mazava, dia hibanjina ny fahamarinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ny fahatezeran’i Jehovah dia hiaretako ihany– Fa efa nanota taminy aho– Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin’ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ny fahatezeran'i Jehovah dia hiaretako ihany, Fa efa nanota taminy aho, Ambara-pandahany ny teniko Sy hanomezany rariny ho ahy; Hamoaka ahy ho amin'ny mazava Izy, Ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ny fahatezeran’NY TOMPO dia hiaretako ihany satria nanota Taminy aho, ambara-pandahany ny raharahako ka hanomezany rariny ahy; hamoaka ahy ho amin’ny mazava izy ka ho faly aho mahita ny fahamarinany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 7:9
36 Rohy Ifampitohizana  

Raha nahita ilay anjely mpandringana ny vahoaka i Davida, dia nanao tamin’ny TOMPO hoe: –Izaho no nanota, izaho no nanao ratsy! fa ireo ondry ireo moa no nanao inona? Koa mifona aminao re aho, aoka ny tananao hamely ahy sy ny fianakaviako.


Na izany aza, fantany tsara ny lalana falehako; fa raha mizaha toetra ahy Izy, dia hivoaka madio toy ny volamena aho.


Ary dia sahinao lazaina aza, ry Jôba, fa tsy mahita an’Andriamanitra ianao sady mbola miandry Azy hatrany, kanefa ny raharahanao efa mby eo anoloany;


Iandraiketo ny adiko ka avoty aho ary velomy araka ny fampanantenànao.


Ny rariny anananao hasehony ho toy ny mazavatsinanana; ny zo tandrify anao haharihariny ho tahaka ny mitataovovonana.


Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, iandanio hanohitra ny tsy mpivavaka, ataovy afaka amin’ny mpamitaka sy amin’ny mpanao ratsy.


dia aoka ny fahavaloko hanenjika ahy ka hahatratra ahy! Aoka hohoseny an-tany mbola velona aho, ka hotarihiny am-bovoka ny hajako! Fiatoana


hanjary ara-drariny indray ny fitsarana ka hiandanian’ny mahitsy fo rehetra.


Ny jamba hampandehaniko amin’ny lalana tsy mbola fantany; sakeli-dalana tsy mbola hainy no hitarihako azy ireo. Hovako ho mazava ny haizina eo anatrehany ary ho mahitsy ny lala-miolakolaka. Hotanterahiko ireo fikasàko ireo fa tsy hisy havelako velively.


Dia hampahiratra ny mason’ny jamba ianao, hamoaka ny gadra avy ao am-ponja, eny, hamoaka ireo mipetraka anaty haizina hialany amin’ny trano nihazonana azy.»


Hampanatoniko ny fanafahako fa tsy ho lavitra intsony. Tsy hitaraiky intsony ny famonjena, fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna; eny, zavatra mamirapiratra no homeko an’i Israely.


Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Tandremo ny rariny ka manaova ny marina, satria akaiky ho tonga ny famonjeko ary efa hiharihary ny fanafahako.


Hoy kosa i Jerosalema hoe: «Indrisy ity fahavoazako e! Lalina ny ratra mahazo ahy. Nefa anjara-fahoriako izao, hoy aho, ka dia hozakaiko ihany.


TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.


Naneho fanafahana antsika ny TOMPO. Andao hotantaraintsika any Tsiôna izay nataon’ny TOMPO Andriamanitsika.


Rariny ny nataon’ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.


no nanoherako azy sy nandefasako azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Noho ny fony tsy voatokana ho Ahy, dia hietry tena ireo ka hanefa ny sazin’ny heloka nataony.


Ka dia ho hitanareo indray ny fahasamihafan’ny olo-marina sy ny olon-dratsy, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.


Noho izany, aza mitsara olona alohan’ny fotoana, dia mandra-piavin’ny Tompo: Izy no hampiharihary ireo zavatra afenina anatin’ny maizina sy hampiseho ireo hevitry ny fon’ny olombelona. Ka amin’izay dia samy homen’Andriamanitra ny dera tandrify azy avy ny tsirairay.


Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.


Mifalia amin’ny manjo an’i Babilôna ianao, ry lanitra, sy ianareo vahoakan’Andriamanitra mbamy ianareo apôstôly sy mpaminany, satria efa nitsara azy Andriamanitra ka nanome rariny anareo!


Amin’iza moa no iadianao, ry mpanjakan’i Israely? Izaho izay amboa maty sy parasy kely ity ve no enjehinao?


Rehefa ren’i Davida fa maty i Nabala, dia hoy izy hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Izay nomba ahy tamin’ny fanalam-baràka nataon’i Nabala, sy niaro ahy mpanompony tsy hanao ratsy ary nampitsingerina teo an-dohan’i Nabala ihany ny ratsy nafitsony. Rehefa izany, dia naniraka hankany amin’i Abigaîla i Davida mba haka azy ho vady.


Velona ny TOMPO ka milaza marina aminao aho fa ny TOMPO irery ihany no hanapitra ny androny, na amin’ny fahafatesana tsotra izany, na vokatry ny ady.


Dia notaterin’i Samoela tamin’i Helỳ avokoa tsy nisy nafenina azy ny zava-drehetra. Ka hoy i Helỳ hoe: –Izy no TOMPO, hataony anie izay heveriny fa tsara!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra