Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 «Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 «Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna. Fa hataoko mahery ianareo, toy ny omby misy tandroka vy sy manan-kitro varahina, ka hanorotoro firenena maro. Ary ny harena voaangony ankeriny dia hatokanareo ho Ahy TOMPO, Izay tompon’ny tany tontolo.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Mitsangàna ka mihose, ry zanaka vavin’i Siôna, fa ny tandrokao hataoko vy, ary ny kitronao, hataoko varahina, ka hanorotoro firenena maro ianao, ka hanokana ny tombon-karena azony ho an’i Iaveh aho, sy ny hareny, ho an’ny Tompon’ny tany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro hianao; Dia hatolotrao ho an’i Jehovah ny hareny, Ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Mitsangàna, ka miveleza, ry Ziona zanakavavy, Fa ny tandrokao hataoko vy, Ary ny kitronao hataoko varahina, Ka hanorotoro firenena maro ianao; Dia hatolotrao ho an'i Jehovah ny hareny, Ary ho an'ny Tompon'ny tany rehetra ny fananany. Koa mivory ho andiany ianao, ry zanakavavin'ny andiany! Manao fahirano antsika izy, Mamely tsorakazo ny takolaky ny mpitsaran'ny Isiraely izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Mitsangàna ka manosihoseha, ry Ziona zanakavavy, fa hataoko vy ny tandrokao ary hataoko varahina ny kitronao ka hanorotoro firenena maro ianao; tsy azonao kasihina fa atokàny ho an’NY TOMPO ny harena azony tamin’ny tsy rariny, ary ho an’ny Tompon’ny tany rehetra ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 4:13
28 Rohy Ifampitohizana  

Salamo nataon’i Davida An’ny TOMPO izao tontolo izao sy izay eo aminy. Azy koa ny tany sy ny mponina ao aminy:


Ry Andriamanitra ô, omeo baiko ny herinao ka hamafiso hatrany izay efa vitanao ho anay,


Ny mpanjakan’i Tarsisy sy ny an’ireo nosy dia handefa fanomezana ho azy; ny mpanjakan’i Sabà sy ny an’i Sebà kosa ho avy handoa hetra aminy.


Amin’izany fotoana izany dia hanolotra fanomezana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ireo olona ranjanana sy malandilandy, dia ilay firenena atahorana hatreto ka hatrany am-paran’ny tany, ilay firenena matanjaka izay manosihosy ny fahavalony sady vakivakîn’ny ony maro ny taniny. Any an-tendrombohitra Tsiôna izay hitoeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao no hanolorany izany fanomezana izany.


Ry fireneko, izay voavely toy ny vary eo am-pamoloana, izany no reko tamin’ny TOMPOn’izao rehetra izao, dia ilay Andriamanitr’i Israely, ka ampahafantariko anareo.


Nefa ny tombombarony sy ny vola azony dia hatokana ho an’ny TOMPO. Tsy hangonina ireny na hotahirizina fa hatao sakafo hamokisana ireo mitoetra eo anatrehan’ny TOMPO, sady hividianana fitafiana mendrika ho azy.


Voaranitra ny zana-tsipîkany, ary voahenjana avokoa ny tsipîkany. Mafy toy ny vatoafo ny kitron-tsoavaliny, ary miriotra toy ny tadio ny kodiaran-kalesiny.


«Ry Babilôna, hoy ny Tompo, kanonta sy fitaovam-piadiana ho Ahy ianao. Ianao no nampiasaiko hanorotoroana firenena sy hanapotehana fanjakana maro.


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Voahosihosy ilay Babilôna fadiranovana toy ny famoloana omanina hivelezam-bary; fa ho avy tsy ho ela ny fotoam-pijinjana azy.»


«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.


I Efraîma dia ombivavy kely efa voafolaka tsara ary tia mively vary. Raha nahita ny vozony tsara tarehy aho, dia nanisy zioga azy: ka i Joda hiasa tany ary i Israely handravona.


Amin’izay, ny sisa velona amin’ny taranak’i Jakôba, eo anivon’ny vahoaka marobe any amin’ny firenen-kafa, dia ho tahaka ny liona mihaza amin’ny biby anaty ala sy ho tahaka ny liona tanora mihaza amin’ny andian’ondry; rehefa mandalo ny liona, dia manosihosy sy mamiravira, ka tsy misy afaka mamonjy.


Mitety ny tany amim-pahatezerana Ianao, ary manosihosy ny firenena amim-pahavinirana.


Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.


Amin’izany andro izany, ny firenen’i Joda dia hataoko tahaka ny afo mihanaka amin’ny ala na mirehitra ao ambanin’ny antontan’amboara, ka handevona ny firenena rehetra manodidina azy na eo ankavanany na eo ankaviany. Ary ny mponin’i Jerosalema dia mbola hijanona ao an-tanànany ihany.


Dia nohazavainy tamiko àry fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin’ny diloilo mba hanompo ilay Tompon’ny tany tontolo.


Dia hoy izy namaly ahy: –Ireo kalesy efatra ireo dia hiroso ho any amin’ny vazan-tany efatra rehefa avy niseho teo anatrehan’ilay Tompon’ny tany tontolo.


Isan’alahady dia samia mba manokana vola ao aminy avy arakaraka izay vola miditra ka hitahiry izany, mba tsy hilaina intsony ny hamoriam-bola amin’ny fahatongavako.


Azo antoka ny varavaranao fa ho vy amam-barahina ny hidiny. Ny herinao anie haharitra toy ny androm-piainanao!


Ny volafotsy sy volamena rehetra ary ny fanaka rehetra halimo sy vy dia hatokana ho Azy TOMPO ka haiditra ao amin’ny firaketan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra