Mika 4:1 - DIEM PROTESTANTA1 «Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempolin’ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin’ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20111 Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara1 «Izao no ho tonga any aoriana any: Ny tendrombohitra misy ilay tempolin’ny TOMPO dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra, sy hanerinerina ambonin’ny havoana; ka vahoaka no hitanjozotra ho any. Jereo ny tokoBaiboly Katolika1 Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy1 ARY izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. Jereo ny tokoMalagasy Bible1 Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon'i Jehovah dia haorina eo an-tampon'ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny firenena hitanjozotra hankany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache1 Ary izao no ho tonga amin’ny andro ho avy: Ny tendrombohitra misy ny tranon’NY TOMPO dia haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra; hasandratra ho avo noho ny havoana rehetra izy ary hitanjozotra hankany ny firenena maro. Jereo ny toko |
–Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda dia nisy mpaminany atao hoe Mikà avy any Môreseta. Niteny tamin’ny vahoaka rehetra tao Joda izy ka nanao hoe: Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Ho voatrongitrongy toy ny tanimboly i Tsiôna, ho tonga korontam-bato i Jerosalema, ary ho tonga havoana misy lobolobo ny tendrombohitra misy ny tempoly.»
Hanafika an’i Israely vahoakako ianao, ka hanarona ny taniny toy ny andian-drahona matevina. Any aoriana be any no hisehoan’izany. Haniraka anao hanafika ny taniko Aho, ry Gôga, mba hieken’ny hafa firenena fa Izaho no Andriamanitra masina; ary ianao no fitaovana hanehoako izany eo imasony amin’ny hamelezako anao.
Ary torotoro avy hatrany koa ny vy sy tanimanga mbamin’ny halimo sy volafotsy ary volamena, ka tonga toy ny akofa eny am-pamoloana fahavaratra; dia nopaohin’ny rivotra ireo, ka tsy hita intsony izay nitoerany. Ary ilay vato izay namely ny sarivongana dia tonga tendrombohitra lehibe ka nameno ny tany manontolo.
Hovana lemaka ny faritra manontolo manodidina an’i Jerosalema, manomboka any Gebà any avaratra ka hatrany Rimôna any atsimo. I Jerosalema dia hisandratra ambonin’ireo tany manodidina azy; ary ny tanàna dia hitatra manomboka eo amin’ny vavahadin’i Benjamîna ka hatramin’ny vavahadin-joro, dia eo amin’ny toeran’ny vavahady tranainy, ary koa manomboka eo amin’ny tilikambon’i Hananehela ka hatramin’ireo famiazam-boaloboky ny mpanjaka.
Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.