Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 3:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona mba hatao batisa i Jaona dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy: «Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa nony nahita ny Fariseo sy ny Sadoseo maro nanatona ny batisany izy, dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa nony nahita ny Fariseo* sy ny Sadoseo* maro nanatona mba hatao batisa i Jaona dia hoy izy taminy: Ry taranaky ny menarana, iza no nanoro hevitra anareo handositra ny fahatezerana ho avy?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 3:7
49 Rohy Ifampitohizana  

Hampifankahalaiko ianao sy ny vehivavy, ary ny taranakao sy ny taranany. Ny tarana-behivavy no hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombalahitongotry ny taranany.


Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny olon-dratsy, fa izay mitandrina izany kosa miady aminy.


Toa atodin’ny menarana no kotrehin’ny fikasanareo, ka izay manandrana amin’ireny dia maty: vao vaky iny, dia menarana no mivoaka avy ao. Toa ladin-kala ny lamba tenominareo ka tsy natao hotafîna na hirakofana izany satria zavatra mampidi-doza. Herisetra no asa vokarin’ny tananareo.


Mandosira hiala an’i Babilôna ka samia manavo-tena ianareo, fandrao hiara-devona aminy noho ny sazim-pahotàny; fa fotoana famalian’ny TOMPO azy izao ka valiany araka ny sahaza azy izy.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Nony nandre izany kosa ny Farisianina, dia niteny hoe: –Tsy misy androahan’ilay io ny demony, afa-tsy fahefana avy amin’i Belzeboba, filohan’ny demony!


Ry tarana-menarana, hataonareo ratsy fanahy ahoana no fiteny zavatra tsara? Izay mameno ny fon’ny olona manko no aloaky ny vavany.


Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany, ka nanao taminy hoe: –Fantatrao ve fa tezitra mafy ny Farisianina raha nandre izany teny izany?


Dia nohatonin’ny Farisianina sy ny Tsadoseanina i Jesoa. Te hamandrika Azy ry zareo ka nangataka Azy hanao famantarana ho porofo fa avy amin’Andriamanitra ny fahefàny.


ary hoy i Jesoa taminy: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran-dry zareo Farisianina sy Tsadoseanina.


Tamin’izay dia lasa ireo Farisianina ka niara-nisaina momba izay fanontaniana mety hamandrihany an’i Jesoa.


Androtr’iny ihany, ireo Tsadoseanina izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty ho velona dia mba nisy nanatona an’i Jesoa ary nanontany Azy


Vao ren’ny Farisianina fa nataon’i Jesoa tsy nanan-kalahatra ny Tsadoseanina, dia vory teo amin’io toerana io ry zareo.


–Ry bibilava, tarana-menarana, hataonareo ahoana no fandositra tsy ho voaheloka any amin’ny lohasahan’afo?


Eny, lazaiko aminareo fa raha toa tsy tsara kokoa noho ny an’ny mpahay lalàna sy ny Farisianina no anaovanareo ny marina voasoritr’Andriamanitra, dia tsy hiditra any amin’ny Fanjakàn’ny lanitra ianareo.


Nisy iraka sasantsasany avy amin’ny Farisianina sy ny Herôdianina nankeo amin’i Jesoa hamandrika Azy amin’ny fanontaniana;


Ireo Tsadoseanina, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty ho velona, dia mba nisy nanatona an’i Jesoa ka nanontany Azy hoe:


Dia namepetra azy ireo i Jesoa nanao hoe: –Mbà malina ka mitandrema tsy ho voan’ny levioran’ny Farisianina sy ny levioran’i Herôda.


Fatra-pitia vola ny Farisianina ka naneso an’i Jesoa nony nandre izany teny rehetra izany.


Naka toerana ilay Farisianina ka nivavaka anakampony hoe: «Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany izay mpangalatra, tsy marina sady mpaka vadin’olona, na tahaka io mpamory hetra io aza.


Ny Farisianina sy ny mpahay lalàna kosa nitsipaka ny fikasan’Andriamanitra ka nandà tsy hataon’i Jôhany batisa.


Ary nisy avy amin’ny Farisianina ireto olona nirahina teo amin’i Jôhany,


Ny devoly no ray niavianareo, ka ny filàndratsin’ny rainareo no satrinareo hatao. Ny devoly dia mpamono olona hatrany am-boalohany; ary tsy nitoetra tamin’ny marina izy, satria ny marina tsy ao aminy. Raha mandainga izy, dia miteny araka ny toetrany satria mpandainga izy sady rain’ny mpandainga.


Nandre izany ny Farisianina sasany teo ka nanao taminy hoe: –Izahay koa ve jamba?


Fa ny mpino sasany, isan’ny tariky ny Farisianina, dia nitsangana ka nanao hoe: –Tsy maintsy foràna ireo mpino hafa firenena, ka asaina mitandrina ny lalànan’i Mosesy.


Noho izany, miambena ianareo ka tsarovy fa telo taona maninjitra, tsy niato aho namarafara anareo tsirairay andro aman’alina, eny, tamin-dranomaso aza.


Raha mety hijoro ho vavolombelona izy, dia fantany hatramin’ny ela hoe Farisianina aho sady miaina araka ny antoko faran’izay sarotiny momba ny fivavahanay.


Tonga kosa tamin’izay ny mpisorombe sy ny mpiandany aminy tsy an-kanavaka, izany hoe ny antoko Tsadoseanina; nisafoaka fatratra ry zareo


Efa anehoan’Andriamanitra ny fahatezerany avy any an-danitra ny olona, satria tsy manaja an’Andriamanitra ary manao ny tsy rariny amin’ny namana; ka noho ny asa ratsin’ny olona, dia voasarona ilay Andriamanitra tena Izy.


Koa, amin’izao isika efa tonga olo-marina eo imason’Andriamanitra noho ny ra nafoin’i Kristy izao, dia vao mainka hovonjena amin’ny alalan’i Kristy tsy hiharan’ny fahatezeran’Andriamanitra.


Andrasanareo koa ny hahatongavan’ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin’ny maty sady mpanafaka antsika amin’ilay fahatezeran’Andriamanitra ho avy.


Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.


ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.


Izany no mampiavaka miharihary ireo zanak’Andriamanitra amin’ireo olona andevozin’ny devoly. Tsy mba avy amin’Andriamanitra izay rehetra tsy manao ny marina soritany sy izay tsy tia ny namana iray finoana.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra