Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 3:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe: –Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Fa nandà Azy i Jaona ka niteny hoe: Izaho no tokony hataonao batisa ka Ianao indray va no mankaty amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe: –Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 fa nandà i Joany nanao hoe: «Izaho no tokony hataonao batemy, ka Ianao indray va no mankaty amiko?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Fa Jaona nandà Azy ka nanao hoe: Izaho no tokony hataonao batisa, ka Hianao indray va no mankaty amiko?

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 3:14
16 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa.


Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.


Zinona moa aho no mba vangian’ny renin’ny Tompoko?


Feno harem-pahasoavana ilay Teny ka nandraisantsika rehetra fahasoavana tovozin-tsy ritra:


Tiako ho fantatrareo, ry havana, fa matetika aho no manam-pikasana hankatỳ aminareo, saingy azon-tsampona ihany hatramin’izao. Te hahazo voka-tsoa eto aminareo koa manko aho toy ny tany amin’ny firenena sasany.


Eny, nanota ny olon-drehetra ka tsy eo afovoan’izy ireo intsony ilay Andriamanitra be voninahitra.


Fa notendren’Andriamanitra ho sorom-panonerana ho an’ireo manam-pinoana i Kristy Jesoa Izay nahafoy ny rany: izany no maneho ny fomba aneken’Andriamanitra ny olombelona ho marina! Ireo heloka vitan’ny olombelona fahiny dia noleferin’Andriamanitra


Kanefa voalazan’ny Soratra Masina fa voageja teo ambany fahefan’ny fahotana avokoa izao rehetra izao, hany ka ilay fanomezana nampanantenain’Andriamanitra dia hatolotra an’ireo mino, noho ny finoana niainan’i Jesoa Kristy.


Ary ny maha zanaka anareo, dia ny nanirahan’Andriamanitra ho ao am-pontsika ny Fanahin’ny Zanany miantso hoe: «Raiko ô!»


Izao koa no fahasamihafana hita: marobe ireo mpisorona hafa, satria tsy navelan’ny fahafatesana haharitra;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra