Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 3:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano, ho amin’ny fibebahana; fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho, ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy mendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Izaho dia manao batisa anareo amin'ny rano ho amin'ny fibebahana; fa Ilay avy ao aoriako no mahery noho izaho, ka tsy miendrika hitondra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina sy ny afo;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Izaho dia manao batisa anareo amin’ny rano ho amin’ny fibebahana; fa Ilay avy ao aorianako no mahery noho izaho ka tsy mendrika hanaisotra ny kapany aza aho; Izy no hanao batisa anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 3:11
29 Rohy Ifampitohizana  

Hisy Fanahy fahamarinana sy fanadiovana hitsoka; koa rehefa voadion’ny Tompo ho afaka amin’ny lotony ireo andriambavilanitr’i Tsiôna, ary voasasan’ny Tompo ho afaka amin’ny ra nalatsaka tao aminy i Jerosalema,


Fa hanosaka rano amin’izay mangetaheta Aho sy hampandriaka renirano amin’ny tany mangentana. Hatosako amin’ny zanakao ny Fanahiko ary amin’ny taranakao ny fitahiako.


Ary hotsapaiko io ampahatelony io ka hodioviko toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy amin’ny afo. Koa hivavaka amiko izy, ary hamaly azy Aho. Dia hilaza aminy Aho hoe: ‹Ry vahoakako› ary izy hanao hoe: ‹Ny Tompo no Andriamanitray›. »


ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.


Araka izany, dia niseho i Jôhany ka nanao batisa tany an-taniefitra sy nanao antso avo hoe: –Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.


Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.


Fa i Jôhany kosa niteny tamin’izy rehetra hoe: –Ny ahy, rano no anaovako batisa anareo. Indro tamy kosa ilay Mahery noho izaho, ary tsy mendrika hamaha ny fehikapany akory aho; ny Azy, ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.


Dia lasa i Jôhany nitety ny faritany manontolo amoron’ny ony Jôrdàna sady nanao antso avo hoe: –Ialao ny toe-dratsy, meteza hatao batisa, dia havelan’Andriamanitra ny helokareo.


Vavolombelona manambara Azy i Jôhany ka niantso mafy hoe: –Izy no Ilay voalazako hoe: «Ilay tamy aoriako dia lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»


Izy indrindra Ilay nolazaiko hoe: «Misy lehilahy tamy aoriako, Izay lehibe noho izaho, satria efa nisy talohako.»


I Jôhany dia nanao batisa tamin’ny rano; fa ianareo kosa, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia hatao batisa amin’ny Fanahy Masina.


Ary hoy i Paoly taminy: –I Jôhany dia nanao batisa ny olona nanaiky hiala tamin’ny toe-dratsy ary nilaza tamin’ny vahoaka mba hino an’Ilay ho tamy aoriany, izany hoe i Jesoa.


Nizotra ny dian’izy roa lahy, ary mby teo amin’ny toerana anankiray misy rano, ka hoy ilay tandapa: –Inty eto misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa? [


Nasain’ilay tandapa najanona ny kalesy, dia niara-nidina nankeo anaty rano izy mbamin’i Filipo, ary nataon’i Filipo batisa izy.


Isika rehetra manko, na Jiosy na hafa firenena, na mpanompo na tsy mpanompo, dia iray ny Fanahy Masina nanaovana batisa antsika mba ho tena iray ihany isika; ary iray ny Fanahy Masina nampisotroana antsika rehetra.


Kely noho izay bitika indrindra amin’ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen’Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin’ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren’i Kristy tsy hita lany,


dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin’ny alalan’ny rano fampandroana izay nanomezan’ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao.


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra