Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 26:70 - DIEM PROTESTANTA

70 Fa nandà teo anatrehan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro izay lazainao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

70 Fa nandà teo anatrehan’izy rehetra izy ka niteny hoe: Tsy fantatro izay lazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

70 Fa nandà teo anatrehan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro izay lazainao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

70 fa nolaviny teo anatrehan’izy rehetra izany ka hoy izy: «Tsy fantatro izay lazainao.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

70 Fa izy nandà teo anatrehan’izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

70 Fa izy nandà teo anatrehan'izy rehetra ka nanao hoe: Tsy azoko izay lazainao.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 26:70
17 Rohy Ifampitohizana  

Adala izay mitompo teny fantatra, fa izay mandeha amim-pahendrena no ho voavonjy.


Ny avonavon’ny olona no hampietry azy; fa ny manetry tena no hahazo haja.


Mampidi-doza ny fahatahorana olona; fa izay matoky ny TOMPO kosa no voaaro.


Fa iza no nahînao sy natahoranao no dia namadika Ahy ianao, ka tsy nahatsiaro Ahy intsony sy nandroaka Ahy tao am-ponao? Efa nangina hatrỳ ny ela Aho, ka izany angaha no tsy anajanao Ahy?


–Tsy misy zavatra mamitaka hoatra ny fon’olombelona. Tsy azo sitranina izy, ary tsy misy mahafantatra ny aminy.


Indro kosa ny anankiray tamin’ireo nomba an’i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon’ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny.


Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminanin’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.


Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe. Dia niditra tao an-tokotany i Petera ary niara-nipetraka tamin’ny mpiandry raharaha teo mba hahita izay fiafaran-javatra.


Nipetraka teo ivelany tao an-tokotany i Petera. Dia nisy vehivavy mpiasa anankiray nanatona an’i Petera ka niteny taminy hoe: –Ianao koa niaraka tamin’i Jesoa, Ilay avy any Galilea.


Dia lasa nankeo am-bavahady i Petera; kanjo nisy vehivavy mpiasa anankiray hafa nahatazana azy ary niteny tamin’izay teo hoe: –Io rangahy io koa niaraka tamin’i Jesoa, Ilay avy any Nazareta.


Fa nandà i Petera nanao hoe: –Tsy mahalala Azy aho, ramatoa!


Marina izany! Nesorina izy ireny noho ny tsy finoana. Kanefa aza miavonavona, fa matahòra.


Koa amin’izany, izay manao ny tenany ho mijoro tsara, dia aoka izy hitandrina sao lavo.


Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra