Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:22 - DIEM PROTESTANTA

22 Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

22 Rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; koa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy dia lasa nankany amin’ny faritanin’i Galilia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

22 Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

22 Nony reny anefa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra hankany izy, ka nankany Galilea nony efa nilazan’Andriamanitra tamin’ny nofy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ny tany Galilia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an'i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan'Andriamanitra hevitra tamin'ny nofy izy, dia lasa nankany amin'ny tany Galilia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

22 Rehefa reny fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; koa rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy dia lasa nankany amin’ny faritanin’i Galilia.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:22
18 Rohy Ifampitohizana  

hiambina anao mandroso sy miverina manomboka izao ka ho mandrakizay!


banjino tsara ny màndany, ary diniho fatratra ny lapany; dia ho azonareo tantaraina amin’ny taranaka any aoriana


Ny torohevitrao no itarihanao ahy; avy eo aho dia horaisinao ho any amin’ny voninahitrao.


Fa na handeha hiankavanana na hiankavia ianao, dia ho renao avy aoriana izao teny izao: «Ity no lalana ka araho».


Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe: –Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.


Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,


Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:


Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin’ny tanin’i Israely.


Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa.


Rehefa avy nanatontosa ny zavatra rehetra araka ny lalànan’ny Tompo ny ray aman-drenin’i Jesoa, dia niverina nankany Galilea izy telo mianaka ho ao Nazareta tanànany.


Dia novalian’ireo hoe: –Ianao koa angaha mba avy any Galilea? Diniho dia ho hitanao fa tsy misy mpaminany mipoitra avy any Galilea! [


Fa hoy i Samoela hoe: –Ahoana no hankanesako any? Fa raha fantatr’i Saoly izany, dia ho fatiny tokoa aho. Hoy kosa ny TOMPO taminy: –Mitondrà zanak’omby iray ianao, dia lazao fa hanatitra sorona ho AHY no nahatongavanao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra