Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Ary rehefa nidina avy tany an-tendrombohitra izy, dia hoy i Jesoa nandrara azy ireo: «Aza milaza na amin’iza na amin’iza izay vao hitanareo, ambara-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin’olona ny fahitana, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ary rehefa nidina avy tao an-tendrombohitra izy, dia nandrara azy Jesosy ka nanao hoe: Aza milaza amin'olona ny fahitana, mandra-pitsangan'ny Zanak'olona amin'ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Rehefa nidina avy teny an-tendrombohitra izy ireo dia nandrara azy ireo Jesosy hoe: Aza milazalaza amin’olona iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’Olona* amin’ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:9
16 Rohy Ifampitohizana  

saingy noteneniny mafy hoe: «Aza manao izay hahafantarana Ahy.»


Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [


Raha mbola tafaraka tany Galilea ry i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: –Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona


ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin’ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.


Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Ny fosa manan-davaka ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra!


Ary hoy i Jesoa taminy: –Tandremo ny milaza izao na amin’iza na amin’iza; fa mandehana miseho amin’ny mpisorona ary ento ny fanatitra voadidin’i Mosesy mba ho vavolombelona amin’ny olona fa madio ianao.


Dia nofeperan’i Jesoa ireo mpianany tsy hilazalaza momba Azy na amin’iza na amin’iza.


Talanjona tokoa ny ray aman-dreniny nefa nohafaran’i Jesoa tsy hilaza ny zava-nitranga na amin’iza na amin’iza.


Vao nanomboka niteny ilay feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Nahatam-bava ireo mpianany telo lahy; ka tamin’izany andro izany, dia tsy nilazalaza na inona na inona tamin’olona momba ny zavatra hitany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra