Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 17:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary indreo koa hitan’izy telo lahy i Mosesy sy i Elià niresaka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary indreo, niseho tamin’ny mpianatra i Mosesy sy i Elia, niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary indreo koa hitan’izy telo lahy i Mosesy sy i Elià niresaka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary indreo niseho tamin’izy ireo i Môizy sy i Elia niresaka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary, indreo, niseho tamin’ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary, indreo, niseho tamin'ny mpianatra Mosesy sy Elia, niresaka tamin'i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary indreo, niseho tamin’ny mpianatra i Mosesy sy i Elia, niresaka tamin’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 17:3
22 Rohy Ifampitohizana  

Ary niteny tamin’i Ahaba mpanjaka i Elià izay Tisbita anisan’ny mponina tao Gilehada hoe: –Velona ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izay tompoiko, koa manizingizina aminao aho fa tsy hisy ando na orana hilatsaka eto amin’ireo taona ato ho ato ireo, raha tsy teny avy amiko ihany.


Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.


Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elià.


Hitan’ireto mpianatra koa i Elià sy i Mosesy; ary niresaka tamin’i Jesoa izy roa lahy.


Hombàn’ny fanahy aman-kerin’i Elià mpaminany izy ka hialoha ny Tompo, mba hampifandray am-po ny ray aman-dreny sy zanaka sady hamerin-doha ny maditra ho olo-marina feno fahendrena, ary dia hanomana vahoaka vonona handray ny Tompo.


Miafara amin’i Jôhany Mpanao batisa ny andron’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany. Fa manomboka hatreo kosa dia ny Fanjakàn’Andriamanitra no Vaovao Mahafaly torîna, ary samy miezaka hiditra ao ny olona.


Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Nony efa handao an’i Jesoa ry i Mosesy sy i Elià, dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Mpampianatra ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; ka hanao tranolay anankitelo izahay: ny anankiray ho Anao; ny anankiray ho an’i Mosesy ary ny anankiray ho an’i Elià (Tsy fantany anefa izay nolazainy).


satria ny lalàna dia nomen’Andriamanitra tamin’ny alalan’i Mosesy, fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy.


Mpaminany anankiray tahaka anao izao, mpaminany hipoitra avy amin’ny mpiray firenena aminy, no hatsangako ho azy; hataoko eo am-bavan’io mpaminany io ny teniko, ka izay rehetra hasaiko hambarany no holazainy amin’ireo mpiray firenena aminy.


Teo amin’i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an’i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra