Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 6:48 - DIEM PROTESTANTA

48 hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

48 hitany fa sahirana mafy ny mpianatra nivoy ny sambokely, satria notohain’ny rivotra ry zareo. Ary tokony ho tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony farihy ka efa hihoatra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

48 Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erỳ fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain’ny rivotra: ary tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain'ny rivotra: ary tokony ho tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, satria nanohitra azy ireo ny rivotra; ary tokony ho tamin’ny fotoam-piambenana fahefatra amin’ny alina dia nankeny aminy, nitsangantsangana teny ambonin’ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 6:48
16 Rohy Ifampitohizana  

sady niteny hoe: –Miangavy re, Tompoko, mba mivilia hiantrano ao amiko ianareo; ka sasao ny tongotrareo, ary mandria anio alina fa rahampitso maraina no hanohy ny dia ianareo. Ka hoy ny navalin’ireo anjely roa hoe: –Tsia, fa ho eto an-kianja ihany izahay no handany ny alina.


Ary rehefa hitany fa tsy naharesy an’i Jakôba izy, dia nodoniny ny foto-pen’i Jakôba ka nipitsoka, raha izy mbola nifampitolona iny.


Mamelatra ny lanitra samirery Andriamanitra ary mandeha eny amin’ny onjan-dranomasina.


ary nametraka rihana hataonao fonenana any ankoatran’ny rano ambony any. Nataonao kalesy ny rahona hisosanao amin’ny elatry ny rivotra;


Fa mahery noho ny feon’ny ranobe sy ny fidoboky ny onja vaventy, TOMPO ô, ny fanapahanao any ambony any.


Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin’ny Ejiptianina avy teo amin’ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.


Ry ilay Jerosalema ory ô, nasafotofoton’ny tafio-drivotra ianao saingy tsy nisy olona nampahery! Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO aminao: «Indro Aho hanangana anao amin’ny vato miloko, ary hamboatra ny fanorenanao amin’ny vato safira.


Ny sambokely tamin’izay dia efa kilaometatra vitsivitsy avy eny amorona ary natopatopan’ny alon-drano, satria notohain’ny rivotra.


Izao no ataovy ao an-tsaina: raha fantatry ny tompon-trano ny vanim-potoana hiavian’ny mpangalatra amin’ny alina, dia ho niambina izy ary tsy ho namela ny tranony hotamîna.


Koa miambena àry fa tsy fantatrareo ny fotoana hiavian’ny tompon-trano, na ho hariva, na ho mamatonalina, na ho maneno akoho, na ho maraina.


Efa maizina ny andro no teo ampovoan’ny farihy ny sambokely, ary i Jesoa irery sisa teny an-tanety;


Nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ary nihevitra Azy ho matoatoa, ka niantsoantso mafy.


Na misasakalina na maneno akoho no ahatongavan’ny tompony ka mahita ireo mpanompo miari-tory toy izany, dia sambatra ireo mpanompo ireo!


Nony injay izy telo mianaka efa akaiky ny tanàna halehan’ireto mpianatra roa lahy, dia mody nanohy ny diany hatrany i Jesoa,


izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban’olombelona miankina amin’ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban’Andriamanitra.


Ny ampitso dia nozarain’i Saoly ho antoko telo ny tafiny izay niditra tao amin’ny tobin’ny fahavalo talohan’ny madiva haraina ary namely ny Hamônita hatramin’ny mitataovovonana. Ny sisa tsy maty dia niparitaka tsy afa niara-droa akory.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra