Marka 6:41 - DIEM PROTESTANTA41 Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny olona; ary nozarain’i Jesoa tamin’ny olon-drehetra koa ny trondro anankiroa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201141 Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara41 Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianany harosony amin’ny olona; ary nozarain’i Jesoa tamin’ny olon-drehetra koa ny trondro anankiroa. Jereo ny tokoBaiboly Katolika41 Dia noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitso-drano. Raha efa izany, novakiny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy41 Ary rehefa voarain’i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan’ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ny olona rehetra. Jereo ny tokoMalagasy Bible41 Ary rehefa voarain'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan'ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin'ny olona rehetra. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache41 Ary rehefa voarain’i Jesosy ireo mofo dimy sy ireo hazandrano roa dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ireo mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony amin’ny olona; ary ny hazandrano roa dia nozarainy tamin’ny olona rehetra. Jereo ny toko |
Ho hitanareo izy raha vantany vao miditra ny tanàna ianareo, mialoha ny hiakarany hisakafo ao amin’ny toeram-panasinana. Tsy hisy olona hihinana alohan’ny ahatongavany, satria izy no tsy maintsy mitsodrano ny sorona; dia aorian’izay vao hihinana ireo olona nasaina. Koa miakara amin’izay ianareo, fa ho hitanareo anio izy.