Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:35 - DIEM PROTESTANTA

35 Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga ka nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

35 Raha mbola niteny Jesosy dia nisy olona tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka nilaza hoe: Efa maty ny zanakao vavy; koa nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

35 Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy tany an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga ka nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

35 Raha mbola niteny i Jesoa, dia tonga ny avy any an-tranon’ilay lehiben’ny sinagoga ka nanao taminy hoe: «Maty ny zanakao vavy, ka nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

35 Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin'ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

35 Raha mbola niteny Jesosy dia nisy olona tonga avy tany amin’ilay mpanapaka ny sinagoga ka nilaza hoe: Efa maty ny zanakao vavy; koa nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany?

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:35
13 Rohy Ifampitohizana  

Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Mandehana mankany an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: Efa tonga ny fotoanandroko; ka ato aminao no hanaovako ny sakafo Paska miaraka amin’ny mpianatro.»


Raha mbola niteny izany tamin’ny mpianatr’i Jôhany Mpanao batisa i Jesoa, dia indro tonga ity manampahefana jiosy anankiray niankohoka teo anatrehany sady nanao hoe: –Maty vao izao ny zanako vavy; ka andeha re hametraka ny tananao aminy dia ho velona izy.


Ary nony niainga handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nanatona Azy, ka nandohalika teo anoloany ary nanontany Azy hoe: –Ry Mpampianatra tapitra ohatra ô, inona no tokony hataoko hananako anjara amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay?


Dia avy ny anankiray tamin’ireo lehiben’ny sinagôga, atao hoe Jaîro; raha vao nahita an’i Jesoa izy, dia niankohoka teo an-tongony


Raha mbola niteny i Jesoa, dia nisy iraka tonga avy any an-tranon’ity lehiben’ny sinagôga nanao tamin’i Jaîro hoe: –Efa maty ny zanakao vavy, ka aza sahiraninao intsony ny Mpampianatra.


Ary hoy i Marta tamin’i Jesoa: –Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko.


Dia hoy i Jesoa taminy: –Izaho no manangana ho velona sy manome aina. Izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona;


Rehefa nilaza izany i Marta, dia lasa niantso mangingina an’i Maria rahavaviny nanao hoe: –Ao ny Mpampianatra, miantso anao!


I Maria kosa, nony tonga teo amin’izay nitoeran’i Jesoa, ka nahita Azy, dia niankohoka teo an-tongony sady niteny taminy hoe: –Raha teto Ianao, ry Tompo, dia tsy maty ny anadahiko!


Dia hoy i Jesoa: –Esory ny vato! Fa i Marta, ilay anabavin’ny maty, no namaly Azy hoe: –Efa maimbo ny faty, ry Tompo, satria efatra andro izay no nandevenana azy.


Lazaiko marina dia marina aminareo fa avy ary efa tonga sahady aza ny fotoana handrenesan’ny maty ilay feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay mandre dia ho velona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra