Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 2:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala aminy ka amin’izay andro izay vao mifady hanina izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’izany andro izany vao hifady izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin'izany andro izany hifady izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra hiala aminy ka amin’izay andro izay vao mifady hanina izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 2:20
29 Rohy Ifampitohizana  

Mihainoa, razazavavy, atongilano ny sofinao ary aoka ho tandrinao tsara izao: Aza raharahaina intsony ny firenenao sy ny fianakavian-drainao.


«Ry tovovavin’i Jerosalema ô, andao hijery an’i Salômôna mpanjaka manao ilay satroboninahitra izay nasatroky ny reniny azy tamin’ny androm-panambadiany, dia ilay andro nifalian’ny fony.»


Fa ilay mpanao anao no ho vadinao; ny TOMPOn’izao rehetra izao no anarany. Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao, dia ilay antsoina hoe «Andriamanitry ny tany tontolo.»


Tahaka ny tovolahy mampakatra virijiny ho vady, dia hampakatra anao toy izany koa ilay Mpanorina anao, ry Jerosalema; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny tovovavy ampakariny no hifalian’ilay Andriamanitrao aminao.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana.»


Dia hoy i Jesoa taminy: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny misaona raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia. Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy, ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.


Dia izao no navalin’i Jesoa: –Moa azon’ireo mpanotrona ny mpampaka-bady atao ve ny mifady hanina raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra? Tsia, tsy azony atao ny mifady hanina raha mbola miaraka aminy eo ny mpampakatra!


–Tsy misy olona manampina fitafiana tonta amin’ny tapa-damba vaovao; fa raha izany, dia handrirotra ny fitafiana tonta ilay tapa-damba vaovao izay natampina, ary dia mainka koa hitatra ny rovitra.


Ary hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Ho avy ny fotoana hanirianareo hahita anankiray amin’ny andro hiavian’ny Zanak’olona, kanefa tsy hahita ianareo.


Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra eo aminy ka amin’izay andro izay vao hifady hanina ireo mpanotrona.


Ny mahantra moa eto aminareo mandrakariva, fa Izaho tsy mba eto aminareo mandrakariva.


Vetivety foana sisa hitoerako eto aminareo, rey anaka; hitady Ahy ianareo ary toy ny voalazako tamin’ny Jiosy hoe: «Izay alehako tsy azonareo aleha», no lazaiko aminareo koa ankehitriny.


Nivoaka avy any amin’ny Ray Aho no tonga eto amin’izao tontolo izao; ary hiala eto amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray.


Kanefa ny marina no lazaiko aminareo: mahasoa anareo ny fialàko; fa raha tsy miala Aho, dia tsy ho avy atỳ aminareo ilay Mpanolotsaina anareo; fa raha mandeha Aho, dia haniraka Azy ho atỳ aminareo.


Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho; ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa mankany aminao. Ray ô, masina Ianao, ka ilay anaranao efa nomenao Ahy hampahafantariko no itahirizo azy ireo, mba ho iray izy tahaka ny maha iray antsika.


Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, mba hananan’ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy.


Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ny mpampakatra dia mipetraka eo anilan’ny mpampakatra sy mihaino azy ary faly tokoa mandre ny feony. Izany hafaliana izany no efa tanteraka amiko ankehitriny.


Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nakarina any an-danitra teo imason’izy ireo; ary nisy rahona nanakona an’i Jesoa ka tonga tsy hitan’izy ireo intsony Izy.


Isam-Piangonana dia nanendry loholona ho an’ny mpianatra izy roa lahy, ary nony efa nivavaka sy nifady hanina dia nanankina ny iray Fiangonana tamin’ny Tompo Izay efa ninoan’izy rehetra rahateo.


Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.


Aza misara-pandriana ianareo raha tsy amin’ny vanim-potoana ifanarahanareo hatokana ho an’ny fivavahana; avy eo dia miraisa indray, sao tsy mahafehy tena ianareo ka halain’i Satàna fanahy.


Saro-piaro momba anareo aho, ary fahasaro-piaro avy amin’Andriamanitra izany; satria ianareo dia toy ny virijiny madio atolotra ho fofombadin’ny lehilahy anankiray, dia i Kristy.


Niasa mafy sy nisasatra aho, niari-tory matetika, nijalin’ny hanoanana sy hetaheta, tsy nitendry hanina matetika, niaritra hatsiaka sady tsy nanan-kitafy.


nokapohina izahay, nahiboka am-ponja, nianjadian-korontana, nampanaovina asa mafy, niari-tory ary nifady hanina.


Aoka isika hifaly sy hiravo ary hanome voninahitra Azy, satria tonga ny fampakaram-badin’ilay Zanakondry; ary efa niomana ny vadiny,


Ary tonga ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nitondra lovia fito feno ny loza fito farany, ka nilaza tamiko hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay ampakarina, dia ny vadin’ny Zanakondry!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra