Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 16:19 - DIEM PROTESTANTA

19 Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

19 Ary Jesosy Tompo, rehefa avy niteny tamin’izy ireo, dia nampiakarina ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

19 Ary i Jesoa Tompo, rehefa avy niteny tamin’ny 11 lahy toy izany, dia nakarina any an-danitra ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

19 Ary rehefa niteny tamin’izy ireo i Jesoa Tompo, dia nakarina any an-danitra, ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

19 Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

19 Ary Jesosy Tompo, rehefa avy niteny tamin’izy ireo, dia nampiakarina ho any an-danitra ka mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 16:19
37 Rohy Ifampitohizana  

Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


Ireo mpianany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza haraiza; ary ny Tompo dia niara-niasa taminy sy nanome hery ny teny notorîny tamin’ny alalan’ny famantarana nampombany azy.]


Tsy ho ela intsony anefa ny Zanak’olona dia hipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery.


Nony efa antomotra ny fotoana hanalana an’i Jesoa teto an-tany, dia tapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,


Andro mialoha ny fankalazana ny Paska tamin’izay. Fantatr’i Jesoa fa tonga ny fotoanandro hialany amin’izao tontolo izao ho any amin’ny Ray. Efa notiavin’i Jesoa ireo Azy teo amin’izao tontolo izao ary dia notiaviny hatramin’ny farany.


Nivoaka avy any amin’ny Ray Aho no tonga eto amin’izao tontolo izao; ary hiala eto amin’izao tontolo izao indray Aho, ka hankany amin’ny Ray.


Ankehitriny mankany aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto aminao Aho; ka izany teny izany no lazaiko dieny mbola eto amin’izao tontolo izao Aho, mba hananan’ireo ny hafaliako tanteraka ao aminy.


Hoy kosa i Jesoa taminy: –Aoka ianao tsy hitazona Ahy, satria tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray Aho. Fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ilay Raiko sady Rainareo Aho, ary ho any amin’ilay Andriamanitro sady Andriamanitrareo.


Rehefa avy nisakafo ireo mpianatra, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Petera: –Ry Simôna zanakalahin’i Jôhany, moa tia Ahy mihoatra noho ny itiavan’ireto Ahy ve ianao? Ka novaliany hoe: –Eny, ry Tompo, fantatrao fa tiako Ianao. Dia hoy Izy taminy: –Fahano ireo zanakondriko.


Dia hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Raha tiako haharitra mandra-piaviko izy, ahoanao izany? Fa ianao, avia hiaraka amiko!


Ahoana ianareo raha mahita ny Zanak’olona miakatra any amin’izay nitoerany taloha?


hatramin’ny andro nanaovan’i Jôhany batisa an’i Jesoa ka hatramin’ny andro nanalana Azy taminay sy nampiakarana Azy any an-danitra. Koa amin’ireo no tokony hisy anankiray ho namanay mba ho vavolombelona hanambara fa nitsangana velona i Jesoa Tompo.


Nasandratra ho eo ankavanan’Andriamanitra Izy ka nandray avy tamin’ny Ray ny Fanahy Masina Izay nampanantenaina ary narotsany taminay izany araka izao hitanareo sy renareo izao.


Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.


Iza no afa-manameloka? Tsy misy, satria i Kristy Jesoa efa maty sady efa nitsangana velona rahateo koa, ary mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ka mivavaka ho antsika!


Natsangana ho velona niaraka tamin’i Kristy ianareo. Noho izany, katsaho ny zavatra any ambony, any amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra.


Ary iaraha-miaiky fa lehibe ny tsiambaratelo nambara momba ny fivavahantsika: Niharihary ho olombelona i Kristy, nankatoavin’Andriamanitra tamin’ny herin’ny Fanahy masina ary niseho tamin’ny iraka; notorîna tany amin’ny firenena, ka ninoana eran’izao tontolo izao; nakarina any an-danitra tamim-boninahitra.


Taratra mamirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra sady famantarana velona izay tena toetra amam-pomban’Andriamanitra Izy; ary ny teniny manan-kery no ihazonany ny zavatra rehetra. Nony avy nanadio ny olona ho afaka amin’ny fahotany Izy, dia nipetraka any amin’ny avo indrindra eo ankavanan’ilay Andriamanitra lehibe.


Aoka isika hifantoka tsara amin’i Jesoa, Izay loharanon’ny finoantsika hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany. Niaretan’i Jesoa ny namonoana Azy teo amin’ny hazofijaliana fa tsy nitandroany henatra, satria tsinjony sahady ny hafaliana natao ho azony; ka izao Izy efa mipetraka eo ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra.


Aoka àry hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika, satria isika manana Mpisorombe tsy anoharana Izay lasa namakivaky ny lanitra, dia i Jesoa ilay Zanak’Andriamanitra.


Ao i Jesoa no tafiditra nialoha antsika mba ho fanasoavana antsika, rehefa tonga Mpisorombe mandrakizay araka ny fomban’i Melkitsedeka.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Izao no vontoatin’ny zavatra lazainay: Mpisorombe toy izany no ananantsika, ary Mpisorombe efa mipetraka any an-danitra eo ankavanan’ny sezafiandrianan’ilay Andriamanitra lehibe.


Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.


dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra, ka eken’ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra