Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 15:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nentin’ireo miaramila teo an-tokotany i Jesoa, izany hoe tao amin’ny lapan’ny governora, ary nantsoiny hankeo ny miaramila tarika iray manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary ireo miaramila dia nitondra an’i Jesosy ho ao anatin’ny kianja izay ao anaty rova sady nanangona ny miaramila rehetra iray tarika aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nentin’ireo miaramila teo an-tokotany i Jesoa, izany hoe tao amin’ny lapan’ny governora, ary nantsoiny hankeo ny miaramila tarika iray manontolo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Dia nentin’ny miaramila i Jesoa ho ao amin’ny tokotany, izany hoe ao amin’ny fitsarana, sady novoriny ny miaramila namany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 ARY ny miaramila nitondra an’i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary ny miaramila nitondra an'i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary ireo miaramila dia nitondra an’i Jesosy ho ao anatin’ny kianja izay ao anaty rova sady nanangona ny miaramila rehetra iray tarika aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 15:16
8 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.


Dia nampitafîn-dry zareo lamba jaky Izy ary nasiany fehiloha tsilo norandranina ny lohany,


Dia nentina niala tao amin’i Kaiafa i Jesoa ho any an-dapan’ny governora. Mbola maraina be ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-dapa anefa ry zareo manampahefana jiosy mba tsy ho voaloto ary mba ho afa-mihinana ny sakafo Paska.


Tamin’izay dia niditra tao an-dapa indray i Pilato, ary niantso an’i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy?


Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohan’i Jesoa; ary nampitafîny lamba jaky Izy.


Ary niditra tao an-trano indray izy ka nanao hoe tamin’i Jesoa hoe: –Avy aiza moa Ianao? Fa tsy namaly azy i Jesoa.


Tany Kesaria dia nisy lehilahy atao hoe Kôrnely, kapiteny tao amin’ny andian-tafika rômanina atao hoe «andian-tafika Italianina».


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra