Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 14:68 - DIEM PROTESTANTA

68 Fa nandà i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

68 Nandà anefa izy ka niteny hoe: Sady tsy fantatro no tsy azoko ny teninao. Dia nandeha nankany ivelany ho any amin’ny vavahady izy, ary nisy akoho naneno tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

68 Fa nandà i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

68 Fa nolaviny hoe: «Tsy fantatro, ary tsy azoko akory izay lazainao.» Dia nivoaka nankany alatrano izy ary naneno ny akoho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sady tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

68 Nandà anefa izy ka niteny hoe: Sady tsy fantatro no tsy azoko ny teninao. Dia nandeha nankany ivelany ho any amin’ny vavahady izy, ary nisy akoho naneno tamin’izay.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 14:68
8 Rohy Ifampitohizana  

Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin’ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan’ny afo.


Fa nahatazana an’i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: –Anisan’ireny koa io rangahy io!


Fa mbola nandà indray i Petera. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo amin’i Petera: –Tena anisan’ireny tokoa ianao sady Galileanina rahateo.


Ary niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan’i Petera ilay tenin’i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: «Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia nigogogogo nitomany i Petera.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra