Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 9:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: «Makà ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; makà ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Ary ilazao ny Zanak’Israely hoe: Makà osilahy hatao fanatitra fanadiovana, ombilahy kely sy zanak’ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana manontolo,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Avy eo dia ny Israelita no ilazao hoe: «Makà ianareo osilahy anankiray hatao sorona fanalana ny ota; makà ombilahikely sy ondrilahikely anankiray avy, samy iray taona sady tsy misy kilema, mba hatao sorona dorana manontolo;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary mitenena amin’ny zanak’i Israely lazao hoe: Makà ianareo osy lahy iray, hatao sorona noho ny ota; ary zanak’omby iray, sy zanak’ondry iray, samy efa iray taona sy tsy misy kilema avy, hatao sorona dorana;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny Zanak’Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak’ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny Zanak'Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak'ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Ary ilazao ny Zanak’Israely hoe: Makà osilahy hatao fanatitra fanadiovana, ombilahy kely sy zanak’ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana manontolo,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 9:3
22 Rohy Ifampitohizana  

Nalain’ireo rahalahiny ny akanjon’i Jôsefa ka natsobony tao anaty ran’osy novonoiny.


nametra-teny izy efa-dahy fa handroaka ny vadiny sy hanolotra ondrilahy iray avy ho sorona fanalana ny otany;


Ny sorona natolotra tamin’io fitokanana io dia ombilahy zato sy ondrilahy roanjato ary zanakondry efajato; ary ny ho sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka Israely manontolo dia osilahy 12, izany hoe anankiray isam-poko.


Zanakondry lahy na zanakosy lahy tsy misy kilema, herintaona, no halainareo.


Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Ary namotopototra momba ilay osilahy natao sorona ho fanalana ny otan’ny vahoaka i Mosesy. Ka nampahalalaina azy fa efa kilan’ny afo izany. Dia tezitra tamin’i Elehazara sy i Itamara, zanakalahin’i Aharôna sisa velona, i Mosesy ka nanontany azy hoe:


«Rehefa tapitra ny fetr’andro fidiovany, araka izay zaza naterany na lahy na vavy, dia izao no hateriny amin’ny mpisorona eo anoloan’ny Tranolay fihaonana: zanak’ondry anankiray efa iray taona mba ho sorona dorana manontolo, ary voromahailala na domohina anankiray mba ho sorona fanalana ny ota.


«Amin’ny andro fahavalo, dia ireto avy no zavatra hoentiny; zanakondrilahy roa tsy misy kilema, zanakondrivavy anankiray tsy misy kilema sady vao iray taona, koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja sivy kilao, ary menaka antsasa-litatra.


Manaraka izany, rehefa voavonon’i Aharôna ny osilahy izay hatao sorona fanalana ny ota ho an’ny vahoaka israelita, dia hoentiny miditra ao anatin’ny Toeramasina Indrindra koa ny rany; hataony tahaka ny efa nataony tamin’ny ran’ilay ombilahy izany, ka hafafiny eo ambonin’ny rakotra volamena sy eo anoloany.


Ny Fiangonan’ny Israelita tsivakivolo dia handraisany osilahy roa hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy iray hatao sorona dorana manontolo.


Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.


Vantany vao fantatr’ilay manampahefana ny ota vitany, dia osilahy tsy misy kilema no aoka ho sorona hoentiny.


«Rehefa ilay mpisorombe no manota, dia mahameloka ny vahoaka rehetra izy; ka noho ny ota vitany, dia ombilahy tsy misy kilema no aoka hatolony amin’ny TOMPO mba ho sorona fanalana ny ota.


ka hoy izy tamin’i Aharôna: –Makà ianao ombilahikely anankiray hatao sorona fanalana ny ota sy ondrilahy anankiray hatao sorona dorana manontolo, dia ombilahikely sy ondrilahikely izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO.


ary makà ombilahy sy ondrilahy anankiray avy mba hovonoina ho sorom-pihavanana eo anatrehan’ny Toeramasin’ny TOMPO, miaraka amina fanatitra lafarinina voaharo menaka; fa anio no hisehoan’ny TOMPO aminareo».


Satria izay tsy vitan’ny lalànan’i Mosesy, noho ny lalàna nolemen’ny maha olona mpanota, dia notontosain’Andriamanitra. Voahelok’Andriamanitra ny fahotana tao amin’ny maha olona mpanota fony Izy naniraka ny Zanany, Izay naka ny endriky ny maha olombelona mba hanaisotra ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


ny tenan’i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin’ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.


Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. Novonoina tao amin’ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.


Ary nandredona hira vaovao ho an’ny Zanakondry ny loholona ka nanao hoe: «Ianao no mendrika handray ny horonamboky sy hamaha ny tombokaseny. Efa voavono ho faty Ianao, ka ny ranao nafoinao no nanavotanao olona ho an’Andriamanitra, dia olona avy tamin’ny foko amam-piteny samy hafa sy avy tamin’ny vahoaka amam-pirenena samy hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra