Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 4:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Halain’ny mpisorombe avokoa ny tavin-kenan’ilay ombilahy atao sorona ho fanalana ny ota, dia ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Dia halainy avokoa ny jaborany rehetra amin’ilay vantotra ombilahy izay atao fanatitra fanadiovana, dia ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny jaboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Halain’ny mpisorombe avokoa ny tavin-kenan’ilay ombilahy atao sorona ho fanalana ny ota, dia ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Halana avokoa ny saboran’ny ombalahy natao sorona noho ny ota, dia ny sabora saron-tsinainy, ny sabora miray amin’ny tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin’ny vantotr’ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary halainy avokoa ny saborany rehetra amin'ny vantotr'ombilahy izay atao fanatitra noho ny ota, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Dia halainy avokoa ny jaborany rehetra amin’ilay vantotra ombilahy izay atao fanatitra fanadiovana, dia ny jabora mandrakotra ny taovany sy ny jaboran-tsinainy,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 4:8
12 Rohy Ifampitohizana  

Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.


Ary ny tavin-kenan’ireo biby natao sorona fanalana ny ota dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara.


Halainy avokoa ny tavin-kenan’ilay ombilahy, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara.


Toy ny nataon’izy mpisorombe tamin’ny ombilahy natolony ho fanalana ny otany no hataony ihany koa amin’ity ombilahy ity. Ary rehefa nataon’ny mpisorombe tamin’ireo Israelita ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra, tahaka ny fanesorana azy amin’ny sorom-pihavanana, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara ho hanitra ankasitrahina ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


Hoesoriny avokoa ny tavin-kena rehetra toy ny fanesorana azy amin’ny ondry atao sorom-pihavanana; dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara izany, miaraka amin’ny sorona levonina amin’ny afo mba ho an’ny TOMPO. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay olona ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


–Ankehitriny, mangorohoro ny fanahiko, ka inona re no holazaiko? Hoe: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’izao ora fijaliana izao? Kanefa ny handalo amin’izao ora fijaliana izao indrindra no nahatongavako.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra