Levitikosy 3:9 - DIEM PROTESTANTA9 Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Amin’io ondry sorom-pihavanana io, dia halain’ny mpanolotra mba holevonina amin’ny afo ho an’ny TOMPO ireto tavin-kena ireto: ny hofany manontolo esorina amin’ny hazon-damosiny; ny safodrorohany sy ny jaboran-tsinainy; Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Ny hatolony ho sorona atao amin’ny afo ho an’i Iaveh amin’io sorom-pihavanana io dia ny saborany, ny hofany manontolo faranana hatreo amin’ny hazon-damosiny, ny sabora saron-tsinainy sy ny sabora rehetra miraikitra amin’ny tsinainy; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Ary hangalan’ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin’ny afo ho an’i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Ary hangalan'ireo ny fanati-pihavanana ka hateriny ho fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, dia ny hofany manontolo (faranana hatreo amin'ny faran'ny taolan-damosina no fanaisony izany) sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny saboran-tsinainy Jereo ny tokoLa Bible en Malgache9 Hakan’ireo ny fanati-pihavanana ka hatolony ho fanatitra levonina amin’ny afo ho an’NY TOMPO, dia ny hofany manontolo; faranana hatreo amin’ny faran’ny taolan-damosina no fakàny izany. Ny jaborany, dia ny jabora mandrakotra ny taovany rehetra sy ny jaboran-tsinainy, Jereo ny toko |
Rehefa nifoha i Salômôna, dia nahatsapa fa nitenenan’Andriamanitra tamin’ny nofy. Niverina tany Jerosalema izy, ary nitsangana teo anoloan’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ka nanatitra sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana; avy eo izy dia nanao fanasana ho an’ny tandapany rehetra.
Io andro io ihany no nanokanan’ny mpanjaka ny afovoan’ny kianja manoloana ny tranon’ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran’ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan’ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.