Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 26:41 - DIEM PROTESTANTA

41 no nanoherako azy sy nandefasako azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Noho ny fony tsy voatokana ho Ahy, dia hietry tena ireo ka hanefa ny sazin’ny heloka nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 ary Izaho koa hamely azy ka hitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Dia hietry amin’izany ny fony tsy voafora ka hanonitra ny helony izy ireo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 no nanoherako azy sy nandefasako azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony. Noho ny fony tsy voatokana ho Ahy, dia hietry tena ireo ka hanefa ny sazin’ny heloka nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 no nandrosoako nanohitra azy sy nandefasako azy tany an-tanim-pahavalony. Ary amin’izay, rehefa mietry tena ny fony tsy voafora, ka manaiky ny sazin’ny hadisoany,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin’ny tanin’ny fahavalony–raha hietry amin’izany ny fony tsy voafora, ary hanonitra ny amin’ny helony izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 ary Izaho kosa namely azy ka nitondra azy ho any amin'ny tanin'ny fahavalony, raha hietry amin'izany ny fony tsy voafora, any hanonitra ny amin'ny helony izy,

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 26:41
39 Rohy Ifampitohizana  

–Moa hitanao izao fietren-tenan’i Ahaba eto anatrehako izao? Satria nanao izany izy, dia tsy hahatonga loza amin’ny fianakaviany amin’ny androny Aho, fa amin’ny andron-janany kosa.


Niaiky hadisoana kosa i Rehabohama, ka niala taminy ny fahatezeran’ny TOMPO mba tsy hahalany ringana azy; sady mbola nisy hatsaram-panahy ihany tao Joda.


Kanefa, na dia efa niavonavona am-po aza ity mpanjaka, dia niaiky heloka izy mbamin’ny mponin’i Jerosalema; ka tsy niharan’ny fahatezeran’ny TOMPO ireo, fony fahavelon’i Hezekià.


Ny vavaka nataon’i Manase sy ny nileferan’Andriamanitra taminy ary ny antsipirian’ny fahotana amam-pahadisoana rehetra vitany mbamin’ny faritra nanorenany toeram-panasinana sy nasiany tsatokazo fanajana an’i Aserà ary nananganany sarivongan-tsampy fony izy tsy mbola niaiky heloka, dia voasoratra ao amin’ny Asan’i Hôzay.


kanefa tsy mba niaiky heloka teo anatrehan’ny TOMPO tahaka ny nataon’i Manase rainy izy, fa vao mainka nanota bebe kokoa aza.


Ry Andriamanitray ô, na dia efa nanjo anay aza izany rehetra izany noho ny asa ratsy sy fahotana vitanay, dia tsy nanafay anay araka ny helokay Ianao fa mbola namela anay hisy sisa afaka toy izao ihany.


Ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, miantra Ianao ka mbola misy sisa afaka ihany izahay amin’izao anio izao; indreto izahay vesaran’ny fahotanay eto anatrehanao, na dia tsy tokony hisy hahajanona eto anatrehanao aza noho izany.»


Mandala ny rariny Ianao tamin’izay rehetra nanjo anay; satria marina ny nataonao, fa izahay no nanao ratsy.


Afaho amin’izay rehetra mpamadika ahy aho, aza avela ho fanakòran’ireo adala.


Dia nankany amin’ny Farao i Mosesy sy i Aharôna ka nanao taminy hoe: –Ny TOMPO Andriamanitry ny Hebreo dia manontany anao hoe: «Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? Alefaso handeha ny vahoakako mba hanao fanompoam-pivavahana amiko!


Aoka ho voafora ho Ahy TOMPO ianareo ka esory ny loto ao amin’ny fonareo ry olon’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Fandrao hirehitra toy ny afo ny fahatezerako noho ny faharatsian’ny ataonareo ka handevona izao rehetra izao; ary tsy hisy hamono ny afo.


Iza no hitenenako, ary iza no hampandrenesina hihaino ahy? Indro tsentsina ny sofiny, ka tsy afaka handre tsara izy. Manala-baràka azy ny teninao, ry TOMPO, ka tsy ankamamîny.


Eny, hampionona anareo ireo olona sisa tavela ireo satria ho takatrareo, rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, fa rariny izay rehetra nataoko namelezana io tanàna io. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Ao ianareo no hisaintsaina ny fitondrantenanareo tamin’ny lasa sy ireo asa nampahaloto anareo. Haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra efa nataonareo.


Amin’ny fotoana izay nanoloranareo ny anjara sakafoko, izany hoe ny sabora sy ny ra avy tamin’ny soronareo, dia nampidiranareo vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora tao amin’ny Toeramasina onenako. Nanimbazimba ny tempoliko ireo; ary nivadihanareo kosa ny fanekempihavanako tamin’ny zavatra maharikoriko nataonareo.


«Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Ny vahiny tsy miraiki-po amiko sady tsy voafora dia tsy misy hahazo miditra intsony ao amin’ny Toeramasina onenako, na dia mipetraka eo anivon’ny Israelita aza izy.»


Hahatsiaro ahy izy eo anivon’ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin’ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.


dia Izaho mihitsy kosa no hamely anareo ka hokapohiko impito henin’izany ianareo noho ny fahotanareo.


dia hamely anareo amin’ny fahatezerako Aho; ka Izaho mihitsy no hitondra famaizana impito henin’izany noho ny fahotanareo.


Tsy maintsy hiaiky ny fahotana nataony izy ka hanonitra amin’ny tompony izay zavatra nalainy, miampy ny ampahadimin’ny vidiny.


Fa izay hanandra-tena dia haetry; ary izay hanetry tena dia hasandratra.


Fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra.


Izao no lazaiko aminareo: ity faharoa ity, fa tsy ilay voalohany, no nahazo fahamarinana avy tamin’Andriamanitra nony nody. Satria izay rehetra manandra-tena, dia haetrin’Andriamanitra; fa izay manetry tena, dia hasandratr’Andriamanitra.


Olona mafy hatoka, mpikomy sady mpanetsin-tadîny ianareo! Toherinareo lalandava ny Fanahy Masina; dia ny razanareo navela mihitsy ianareo.


Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.


Noho izany, aoka ny fonareo ho voatokana tanteraka ho an’ny TOMPO, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.


dia hodiovin’ny TOMPO Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fon’ny taranakareo hitiavanareo AZY amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo, mba ho velona ianareo.


Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.


Isika, fa tsy ry zareo, no mpitandro ny tena famorana, dia isika manompo an’Andriamanitra araka ny fanentanan’ny Fanahy Masina ary mirehareha noho isika tafaray amin’i Kristy Jesoa fa tsy mitoky amin’ny fombafomban’olombelona.


Noho ny firaisana amin’i Kristy, dia voafora ianareo nefa tsy tamin’ny famorana nataon-tanan’olona fa tamin’ny famorana nataon’i Kristy, izany hoe famorana manaisotra ny herin’ny maha olona mpanota;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra