Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Levitikosy 12:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ondry dia hitondra domohina roa na voromailala roa izy; ny iray dia hatao fanatitra dorana manontolo ary ny iray kosa dia hatao fanatitra fanadiovana; dia hanao fanavotana ho an-dRavehivavy ny mpisorona ka hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Raha tsy tratry ny fananan-dravehivavy ny zanakondry anankiray, dia hitondra domohina na voromahailala anankiroa izy: ny anankiray hatao sorona dorana manontolo, ny anankiray kosa hatao sorona fanalana ny ota. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay vehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Raha tsy manan-kamidy ny zanak’ondry izy, dia domohina roa na vanto-boromahailala roa no hoentiny: ny iray hatao sorona dorana, ny iray hatao sorona noho ny ota, hanaovan’ny mpisorona fanonerana ho azy, dia hadio izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 12:8
14 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa vorona no atolotra ho sorona dorana manontolo amin’ny TOMPO, dia domohina na voromahailala no aoka hatolotra.


Hatolory ny mpisorona eo anatrehan’ny TOMPO ireo sorona ireo, ary rehefa nataony tamin-dravehivavy ny fombam-pivavahana fanadiovana, dia hadio ny amin’ny ra very teo am-piterahana izy.» Ireo no fepetra momba ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.


Dia niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ny TOMPO nanao hoe:


«Raha mahantra ilay marary hoditra ka tsy misy harena firy ananany, dia ireto avy ny zavatra hoentiny: zanakondrilahy iray monja hatao sorom-panorenana ka hahevaheva eo anatrehan’ny Tompo no fanolotra azy mba hanaovana ny fombam-pivavahana fanadiovana; koba lafarinina tsara voaharo menaka sady milanja telo kilao; menaka antsasa-litatra;


domohina roa na voromahailala roa, arakaraka izay hareny ananany, ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo.


Ary amin’ny andro fahavalo, dia hitondra domohina roa na voromahailala roa izy ka hankeo anatrehan’ny TOMPO, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana, ary hanome ireo vorona ireo amin’ny mpisorona.


Dia hanolotra ireo ny mpisorona; ka ny anankiray hatao sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray hatao sorona dorana manontolo. Dia eo anatrehan’ny TOMPO no hanaovan’ny mpisorona ho an-dralehilahy ny fombam-pivavahana fanadiovana azy noho ny fitsihany.


Amin’ny andro fahavalo, dia haka domohina roa na voromahailala roa izy ka hitondra ireo ho amin’ny mpisorona, eo anoloan’ny varavaran’ny Tranolay fihaonana.


Avy eo ny tavin-kena rehetra dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara tahaka ny fanao azy amin’ny sorom-pihavanana. Ary rehefa nataon’ny mpisorona tamin’ilay mpanapaka ny fombam-pivavahana famelana, dia voavela ny otany.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona indray ny domohina na voromahailala roa, dia koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, no hoentiny ho fanatitra fanalana ny ota; tsy handrarahany menaka sady tsy hasiany vovoka zava-manitra izany, satria fanatitra fanalana ny ota.


«Raha tsy takatry ny fananan’ny olona kosa ny ondrivavy na osivavy iray, dia domohina roa na voromahailala roa no hoentiny amin’ny TOMPO ho fanonerana ny ota vitany ka ny anankiray ho sorona fanalana ny ota, ary ny anankiray kosa ho sorona dorana manontolo.


Dia namantana tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa; ka ireo mpivarotra sy mpividy teo dia noroahiny avokoa, ny latabatr’ireo mpanakalo vola sy ny sezan’ireo mpivaro-boromahailala nazerany;


Satria fantatrareo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompontsika: fa na dia nanankarena aza Izy, dia tonga mahantra noho ny aminareo, mba hampanankarena anareo ny fahantrany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra