Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 20:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Any no handosiran’izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 handosiran’izay nahafaty olona tamin’ny fanahy tsy niniana; koa ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Any no handosiran’izay mahafaty olona tsy nahy fa kisendrasendra, ka ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly faty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 hahazoan’ny mpanompo mandositra, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon’ny mpamaly ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 handosiran’izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 handosiran'izay nahafaty olona tsy nahy; dia ho fandosirana ho anareo izany mba tsy ho azon'ny mpamaly rà

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 handosiran’izay nahafaty olona tamin’ny fanahy tsy niniana; koa ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 20:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Hoy ihany ravehivavy taminy: –Ry andriamanjaka ô, mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba tsy hampian’ny mpamaly faty intsony ny fandripahana, fandrao matiny ny zanako. Ka novalian’ny mpanjaka hoe: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa tsy hisy hanohintohina na dia ny singam-bolon’ny zanakao aza.


mba hamepetra ny Israelita hoe: «Raha misy olona manota tsy nahy ka mandika ny anankiray amin’ireny didin’ny TOMPO momba ny zavatra tsy tokony hatao ireny, dia sorona fanalana ny ota no aoka hataony.


Ireo tanàna ireo no ho fialokalofana mba hahafahanareo mandositra ny mpamaly faty; ka tsy ho faty izay nahafaty olona alohan’ny hisehoany fitsarana eo anatrehan’ny fiangonana.


Ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, raha vao mahita azy izy.


«Kanefa mety tsy nahy na tsy filana ady no nandonana olona; mety tsy lolom-po no nitorahana zavatra azy;


ireo zavatra anankiroa ireo dia tsy azo ovàna sady tsy hain’Andriamanitra andaingana. Noho izany, isika izay mitady fiarovana ao amin’Andriamanitra dia mahazo fampirisihana mafy hitana tsara ny fanantenana natolotra antsika.


mba hilaza amin’ny Israelita hoe: –Fidio ny tanàna fialokalofana araka izay efa nampilazaiko an’i Mosesy taminareo.


Ary rehefa mandositra amin’ireo tanàna ireo ilay namono olona tsy nahy, dia hijanona eo anoloan’ny vavahadin’ny tanàna, ka hanazava amin’ireo loholona ao an-tanàna ny zava-niseho. Dia horaisin’ireo ho ao an-tanànany izy ka homeny toerana mba hiara-monina aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra