Josoa 2:11 - DIEM PROTESTANTA11 Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy etỳ an-tany ambany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201111 Ny fandrenesanay ireo dia nahaketraka ny fonay ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara11 Koa raha nandre izany izahay, dia ketraka ny fonay ary tsy nisy olona sahy nitsangana hanohitra anareo intsony. Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitra any an-danitra ambony sy etỳ an-tany ambany. Jereo ny tokoBaiboly Katolika11 Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin’ny fiavianareo, satria i Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin’ny lanitra ary etỳ ambany amin’ny tany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Jereo ny tokoMalagasy Bible11 Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache11 Ny fandrenesanay ireo dia nahaketraka ny fonay ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ny lanitra ambony sy etỳ amin’ny tany ambany. Jereo ny toko |
Ny mpanjaka rehetra, tamin’ny Amôrita nonina teny andafy andrefan’i Jôrdàna sy tamin’ny Kanahanita nonina tany amoron’ny Ranomasina Mediteranea, dia nahare fa nataon’ny TOMPO maina ny falehan’ny ranon’i Jôrdàna teo anoloan’ny Israelita mandra-pitany; noho izany dia ketraka ny fon’ireo mpanjaka ireo ka tsy nanam-pahasahiana intsony ry zareo hanoherana ny Israelita.
Dia namaly an’i Josoa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Notantaraina tsara taminay, tompoko, izay efa nandidian’ny TOMPO Andriamanitrao an’i Mosesy mpanompony, dia ny hanomezana anareo ity tany manontolo ity ary handringananareo ny mponina rehetra ao aminy arakaraka ny androsoanareo. Natahotra mafy ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka izany no nanaovanay izany zavatra izany.