Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 14:3 - DIEM PROTESTANTA

3 I Mosesy manko efa nanome zara tany ho an’ireo foko anankiroa sy ho an’ny antsasa-pokon’i Manase tany am-pita atsinanan’i Jôrdàna; fa ny Levita ihany tamin’izy tany am-pita atsinanan’i Jôrdàna; fa ny Levita ihany tamin’izy rehetra no tsy mba nomeny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Fa efa nomen’i Mosesy lova tany andafin’i Jordana ny foko roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy dia tsy mba nomeny lova teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 I Mosesy manko efa nanome zara tany ho an’ireo foko anankiroa sy ho an’ny antsasa-pokon’i Manase tany am-pita atsinanan’i Jôrdàna; fa ny Levita ihany tamin’izy tany am-pita atsinanan’i Jôrdàna; fa ny Levita ihany tamin’izy rehetra no tsy mba nomeny,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen’i Môizy lova tany an-dafin’i Jordany, fa tsy mba nomeny lova teo amin’izy ireo ny Levita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Fa efa nomen’i Mosesy lova tany an-dafin’i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Fa efa nomen'i Mosesy lova tany an-dafin'i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak'i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Fa efa nomen’i Mosesy lova tany andafin’i Jordana ny foko roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy dia tsy mba nomeny lova teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 14:3
9 Rohy Ifampitohizana  

«Rehefa mizara ny tany ho an’ny isam-poko eo amin’ny Israelita ianareo, dia hisy ampahany havahanareo ho an’ny TOMPO: anjara voatokana ho Azy amin’ny tany izany ka hisy 12 km sy sasany ny lavany ary 10 km ny sakany; voatokana manontolo ho an’ny Tompo izany faritany izany.


Resin’i Mosesy sy ny Israelita ry i Sihôna sy i Hôga; ka ny taniny dia nomen’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, ho lovan’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny antsasa-pokon’i Manase.


Ny fokon’i Levỳ kosa no hany tsy nomen’i Mosesy zaratany holovany. Ny anjarany dia alaina amin’ny sorona dorana amin’ny afo ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely araka izay efa nampanantenain’ny Tompo azy.


Ny faritaniny dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà;


isan’izany koa i Hesbôna sy ny tanàna rehetra eny amin’io lembalemba io, dia i Dibôna, i Bamôta-Bahala, i Bety-Bahala-Mehôna,


Ny Reobenita sy Gadita miaraka amin’ilay antsasa-pokon’i Manase manko dia efa nahazo ny zaratany nomen’i Mosesy teny atsinanan’i Jôrdàna. Araka izay nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra