Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jona 2:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao an-kibon’ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman’onjanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao an-kibon’ny ranomasina. Nanafotra ahy ny riaka; natosakao tamiko avokoa ny alon-dranonao aman’onjanao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Natsipinao tany amin’ny hantsana aho, dia tany anatin’ny ranomasina, ka ny riaka nanodidina ahy; ny alon-dranonao aman’onjanao rehetra nandeha teo amboniko.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, Dia tao amin’ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa efa natsipinao tao amin'ny lalina aho, Dia tao amin'ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa efa natsipinao tao amin’ny lalina aho, dia tao amin’ny ranomasina, ka voasafotry ny riaka aho; nanarona ahy ny alondranonao sy ny onjanao rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Jona 2:4
20 Rohy Ifampitohizana  

satria nandre ny lazanao lehibe sy ny fiarovanao mahery ary ny fahefana ampiharinao. Rehefa tonga hivavaka mitodika amin’ity tempoly ity izy,


ary hiverina aminao amin’ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin’izany tany nitondrana azy ho babo izany sady hivavaka mitodika amin’ity taniny izay nomenao ny razany ity sy amin’ity tanàna voafidinao ity ary amin’ity tempoly izay naoriko ho voninahitrao ity,


dia hongotako ianareo, ry Israelita, tsy ho amin’ny tany izay nomeko anareo; ary hariako lavitra Ahy ity tempoly izay natokako hanajana Ahy ity. Amin’izay ianareo Israelita dia ho tonga fandatsa sy fanaraby any amin’ny firenen-kafa rehetra.


ary hiverina aminao amin’ny fo sy fanahy manontolo izy ao amin’izany tany nitondrana azy ho babo izany sady mivavaka manandrify ny taniny izay nomenao ny razany ity sy amin’ity tanàna voafidinao ity ary amin’ity tempoly naoriko ho voninahitro ity,


Hisaorana anie Ianao, TOMPO ô, fa nigagàna tokoa ny fitiavanao ahy fony aho toy ny tanàna voafahirano!


Mitambolimbolina ny ranobe, satria mirohondrohona ny riananao; miantonta toy izany hanafotra ahy avokoa ny onja aman’alondranom-pahoriana alefanao.


Haringanao ny mpandainga; ary maharikoriko Anao, TOMPO ô, ny mpamitaka sy mpamono olona.


Any amin’ny maty no anjara toerako toy ireo faty mitsitra ao am-pasana, izay tsy tsaroanao intsony sady tsy ombàn’ny fiarovanao.


Napetrakao any am-paran’ny lavaka aho, any amin’ny haizina tsy hita noanoa.


Indro niova ho fahasambarana ilay fahoriako nangidy dia nangidy. Fatra-pitia ahy Ianao ka tsy namela ahy ho faty; fa narianao any ivohonao ny heloko rehetra.


I Tsiôna nanao hoe: «Efa nandao sy nanadino ahy ilay ANDRIANANAHARY Tompo.»


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Na dia i Mosesy sy i Samoela aza no mitsangana manelanelana eto amiko, dia tsy handefitra amin’ity vahoaka ity Aho. Roahy hiala eto anatrehako izy mba handeha any!


Ary ianareo kosa horoahiko lavitra Ahy tahaka ny nandroahako ny olona rehetra mpiray firenena aminareo, dia ny taranaka rehetra tao Efraîma.»


Nandifotra ny lohako ny rano, ka hoy aho hoe: «Very aho ity!»


Ary hoy indray ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ireo taola-maina ireo dia sarin’ny vahoaka israelita rehetra. Fa hoy ny Israelita hoe: ‹Tahaka ny taola-maina izahay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay.›


Koa dia nosoniavin’i Dariôsa mpanjaka izany didy aman-dalàna izany.


Tany amin’ny fanambanin’ny tendrombohitra no nahatafalatsaka ahy, ka nihidy tamiko mandrakizay ny vavahadin’ny sehatry ny maty. Nefa Ianao, ry TOMPO Andriamanitro ô, nampiakatra ahy velona avy tao an-davaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra